𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐕𝐨𝐯𝐨-𝐛𝐨π₯𝐚𝐦𝐞𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐒𝐳𝐲 𝐧𝐞𝐧𝐭𝐒𝐧𝐚 𝐧𝐒𝐬𝐨π₯𝐨𝐀𝐲 𝐨π₯𝐨𝐧𝐚

346 0

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐕𝐨𝐯𝐨-𝐛𝐨π₯𝐚𝐦𝐞𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐒𝐳𝐲 𝐧𝐞𝐧𝐭𝐒𝐧𝐚 𝐧𝐒𝐬𝐨π₯𝐨𝐀𝐲 𝐨π₯𝐨𝐧𝐚 (Tra-tehaky ny polisy lehilahy iray ity noho ny fanomezam-baovao ara-potoana)

Rangahy iray mpisoloky tra-tehaka, vovo-bolamena tsy tena izy no namitahany olona tany Belalona distrikan`i Mandritsara tamin`ny fiandohan`ny volana martsa ity. Milaza mahita vazaha afaka mividy volamena izy, nobaboby fo raim~pianakaviana misotro iray mba hanome vola be azy satria maika hihaona amin`ny vazaha naniraka azy ary hampitomboana ny vola nalaina rehefa lafo ilay volamena.

Ny tenany no lazainy iraka vazaha tonga tamin`ilay RAD, nandinika mafy ity farany ka nampilaza ny polisim-pirenena noho izy efa matetika mahazo fanentanana momba fisorohana ny teti-dratsy ataon`olon-dratsy. Nidia ifotony ny polisim-pirenena ka nosamborim-potsiny mpisoloky ity avy eo.

« Tsy vao sambany manao fisolokiana raha ny finday ampiasainy no nojerenay, milaza ho ex-maire izy, toerana maro (Marovoay, Tamatave, Mahajanga…) no efa nanaovany asa ratsy ary matetika miovaova anarana izyΒ Β» hoy lehiben`ny Commissariat Mandritsara, Tovolahy Odin androany 11 martsa. Efa natolotra eny anivon`ny fampanoavana ny raharaha.

Nangonin’i Claudio

Related Post

𝗠𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔 – π—Ÿπ—˜π—›π—œπ—Ÿπ—”π—›π—¬ 40 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔 π—‘π—”π—‘π—’π—Ÿπ—”π—‘π—” 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔

Posted by - fΓ©vrier 5, 2024 0
𝗠𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔 – π—Ÿπ—˜π—›π—œπ—Ÿπ—”π—›π—¬ 40 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔 π—‘π—”π—‘π—’π—Ÿπ—”π—‘π—” 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔 (𝐍𝐚𝐨π₯𝐚𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐝𝐲 𝐧𝐨𝐫𝐚𝐑𝐨𝐧𝐚𝐧𝐲 𝐑𝐨 𝐟𝐚𝐭𝐲…) πŸ“Œ Rangahy iray 40 taona nanolana…