Kaominina Ambohimangakely | Fambolen-kazo sy diabe namakivaky ny tanana no nentina nanamarihana ny andron’ny 08 Marsa 2024

388 0

Kaominina Ambohimangakely | Fambolen-kazo sy diabe namakivaky ny tanana no nentina nanamarihana ny andron’ny 08 Marsa 2024

Ho fanamarihana ny Andron’ny 08 Marsa taona 2024, dia nisy ny Diabe namakivaky ny tanana notontsosaina teto amin’ny Kaominina Ambohimangakely.

Tiana ny manamarika fa ity hetsika ity, dia notarihin’i Ramatoa Vadin’ny Ben’ny Tanana, izay mpitantana ny Association SOA.

Ankoatry ny vehivavy Mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ovaintsika ny Tanana sy ireo Vehivavy Mpiasan’ny Kaominina, dia maro ireo Fikambananm-behivavy nandray anjara tamin’ity diabe ity, tsy vitsy koa ireo Orin’asa, Fikambanana sy sekoly tsy miankina, Vadin’ireo Mpitandro filaminana.

Taorian’izay, dia niara nirohotra namboly hazo teny amin’ny tany malalaka eny Betsizaraina ny rehetra, izay notarihin’Andriamatoa Radafy Thiery na i Bota.

Fantatra fa Zanan-kazo miisa 1500 teo ho eo no voatsatoka, kanefa mialohan’ny fanatsatohan izany zanan-kazo izany dia nisy ny toro-marika avy amin’ireo Teknisianina iraky ny Ministera.

Tanjona manokana amin’izao hoy Ben’ny tanana raha nanontaniana, dia ny hamerenana indray ho tontolo maintso an’i Madagasikara.

Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝐅𝐚𝐧𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐋𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐨𝐚𝐫𝐚 𝐀𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐒𝐢𝐚𝐧𝐭𝐢𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐓𝐨𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐝𝐢𝐧𝐭𝐬𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲

Posted by - octobre 25, 2025 0
𝐅𝐚𝐧𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐋𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐨𝐚𝐫𝐚 𝐀𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐒𝐢𝐚𝐧𝐭𝐢𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐓𝐨𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐝𝐢𝐧𝐭𝐬𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐋𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐨𝐚𝐫𝐚 𝐀𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐒𝐢𝐚𝐧𝐭𝐢𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐓𝐨𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐝𝐢𝐧𝐭𝐬𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 —-…