Solofo Jocelyn RAZAFINDRAKOTO | nahazo tso-drano avy amin’ireo Ray aman-dreny lehibe mpitazona hazomanga

423 0
Nahazo tso-drano avy amin’ireo Ray aman-dreny izay notarihin’ireo Ray aman-dreny lehibe mpitazona hazomanga avy eto amin’ny  Fokontany Andranomalaza – Commune SADABE anio izay nitso-drano Andriamatoa Solofo Jocelyn  RAZAFINDRAKOTO amin »ny firotsahana ho solombavam-bahoaka ato amin’ny Distrikan’i MANJAKANDRIANA.
 
Nandritra ity lanonana fitsofan-drano ity ihay koa no nanararaotana nifampiarahabana tratry nyy taona vaovao, sy nifampirariana soa hoan’ny rehetra,  ka ho fanamarihana izany dia  nisy ny fanolorana solombodiakoho hoan’ireo Ray aman-dreny tandroky ny tany ireo, ankoatr’izay iohany koa dia nisy ny fizarana nofon-kena mitam-pihavana hoan’izay rehetra tonga tamin’ity lanonana ity.
 
Tamin’ity fotoana ity ihany koa fotoana nihainoana sahady ireo hetahetan’ny vahoaka sy hijerena miaraka ny fampandrosoana izay afaka ho tanterahina.
 
Tiana ny manamarika fa i Solofo Jocelyn  RAZAFINDRAKOTO dia tena Zanaky ny tanana, mahafantatra tanteraka  izany SADABE IZANY, ka nahatonga azy milaza afa :
  • SADABE tsy maintsy mandroso
  •  Isika tsy maintsy mandroso
  • Tsy misy mahasakana ny sitrapon’Andriamanitra

Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

Mpikatroka TGV Ambohimalaza | fifampiarahabana noho ny taona vaovao

Posted by - avril 7, 2024 0
𝐌𝐩𝐢𝐤𝐚𝐭𝐫𝐨𝐤𝐚 𝐓𝐆𝐕 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐦𝐚𝐥𝐚𝐳𝐚 | 𝐟𝐢𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐨𝐡𝐨 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 — Tontosa androany ny fihaonana sy fifampiarahabana noho ny taona vaovao…