Solofo Jocelyn RAZAFINDRAKOTO | nahazo tso-drano avy amin’ireo Ray aman-dreny lehibe mpitazona hazomanga

684 0
Nahazo tso-drano avy amin’ireo Ray aman-dreny izay notarihin’ireo Ray aman-dreny lehibe mpitazona hazomanga avy eto amin’ny  Fokontany Andranomalaza – Commune SADABE anio izay nitso-drano Andriamatoa Solofo Jocelyn  RAZAFINDRAKOTO amin »ny firotsahana ho solombavam-bahoaka ato amin’ny Distrikan’i MANJAKANDRIANA.
 
Nandritra ity lanonana fitsofan-drano ity ihay koa no nanararaotana nifampiarahabana tratry nyy taona vaovao, sy nifampirariana soa hoan’ny rehetra,  ka ho fanamarihana izany dia  nisy ny fanolorana solombodiakoho hoan’ireo Ray aman-dreny tandroky ny tany ireo, ankoatr’izay iohany koa dia nisy ny fizarana nofon-kena mitam-pihavana hoan’izay rehetra tonga tamin’ity lanonana ity.
 
Tamin’ity fotoana ity ihany koa fotoana nihainoana sahady ireo hetahetan’ny vahoaka sy hijerena miaraka ny fampandrosoana izay afaka ho tanterahina.
 
Tiana ny manamarika fa i Solofo Jocelyn  RAZAFINDRAKOTO dia tena Zanaky ny tanana, mahafantatra tanteraka  izany SADABE IZANY, ka nahatonga azy milaza afa :
  • SADABE tsy maintsy mandroso
  •  Isika tsy maintsy mandroso
  • Tsy misy mahasakana ny sitrapon’Andriamanitra

Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

Voapetraka ny taratasin’ny Fandrava

Posted by - avril 7, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 |𝐓𝐚𝐟𝐚𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐫𝐚𝐭𝐚𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚𝐧-𝐤𝐨𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧’𝐢 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐕𝐀 — Anio Alahady 7 Avril 2024 (11h50) Tafapetraka ny atoandro teo ny taratasy filatsahan-kofidiana…

𝗛𝗔𝗙𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’I 𝗝𝗘𝗡𝗘𝗥𝗔𝗟𝗬 𝗥𝗔𝗩𝗔𝗟𝗢𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔

Posted by - octobre 3, 2025 0
𝗔𝗩𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗘𝗠𝗔𝗛𝗔𝗩𝗔𝗧𝗥𝗦𝗘 𝗘𝗟𝗔𝗛𝗜𝗦𝗔𝗢𝗥𝗘 ; 𝗖𝗼𝗻𝘀𝘂𝗹𝘁𝗮𝗻𝘁 𝗲𝗻 𝗱𝗲́𝘃𝗲𝗹𝗼𝗽𝗽𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗦𝗼𝗰𝗶𝗼 𝗘𝗰𝗼𝗻𝗼𝗺𝗶𝗾𝘂𝗲 : 𝑨𝒛𝒂 𝒎𝒊𝒋𝒂𝒃𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒕𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒍𝒂𝒎𝒊𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒐𝒌𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒂𝒇𝒂𝒏𝒈𝒂𝒓𝒐…