π…π€πŒπˆππƒπ‘π€πŒ-ππˆπ“π€ππ“π€ππ€ππ€ 𝐃𝐑𝐂𝐂 πŒπ€π“π’πˆπ€π“π‘π€ π€πŒππŽππ˜

129 0
Ny Zoma 01 Marsa 2024 teo, no natao tao amin’ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina Ambatomena – Fianarantsoa ny famindram-pahefana teo amin’ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina , izay tapaka tamin’ny Filan-kevitry ny minisitra farany teo fa Andriamatoa ANDRIANJOHANY Arilandy Aivoniaina , indray no hisahana izany andraikitra maha Talen’ny Serasera sy ny Kolontsaina eto Matsiatra Ambony izany indray. Hisahana andraikitra hafa kosa ny Tale teo aloha , Andriamatoa RAFANOMEZANTSOA Jean Marie Vianney, izay voatendry ho talem-paritry ny fampianarana tekinika sy ny fanofanana arak’asa eto Matsiatra Ambony indray.
 
Ny avy amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, ny avy ao amin’ny Kaominina Ambonivohitry Fianarantsoa ,sy ireo mpisehatra amin’ny serasera sy ny haino aman-jery eto Fianarantsoa no nanotrona ny fotoana,izay notarihan’ny
Prefet-n’ny Fianarantsoa.
 
Nangonin’i Ando RAFATELO

Related Post

ANKILIVALO, MAHABO MPANGALAJAZA 3 NO TRATRA KA MATY VOATIFITRA NY ROA

Posted by - dΓ©cembre 22, 2023 0
π€ππŠπˆπ‹πˆπ•π€π‹πŽ, πŒπ€π‡π€ππŽ πŒππ€ππ†π€π‹π€π‰A𝐙𝐀 πŸ‘ 𝐍𝐎 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 πŠπ€ πŒπ€π“π˜ π•πŽπ€π“πˆπ…πˆπ“π‘π€ 𝐍𝐘 π‘πŽπ€ — πŸ“Œ Nitrangana hala-jaza tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankilivalo…

Commune Sabotsy Namehana| Voatolotra ny Lakilen’ny FKT Tsarafara

Posted by - juillet 8, 2024 0
ππ€π“πŽπ‹πŽπ“π‘π€ π€πβ€™πˆ π‘π€πŒπ€π“πŽπ€ π…πˆπ‹πŽπ‡π€πβ€™ππ˜ π…πŽπŠπŽππ“π€ππ˜ 𝐍𝐘 π…π€ππ€π‹π€π‡πˆπƒπˆπβ€™ππ˜ ππˆπ‘π€πŽπŒ-ππŽπŠπŽππ“π€ππ˜ π„π“πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π…πŠπ“ 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀 Maso niara-nijery satria nibaribary tahaka ny tafika andrefan-tanana…