Fanokafana ny fomba ofisialy ny taom-pambolena Honko

89 0

Androany faha 3 ny volana Martsa no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom_pambolena honko izay natao tao amin’ny fokotany Kivalo kaominina ambanivohitry Marofandilia tonga nitarika izany ny minisitry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain_jafy Andriamatoa Max Andoniriana Fontaine izay notronon’andriamatoa Patrick Rajoelina mpanolon_tsain’ny filoham-pirenena niaraka tamin’ireo solon_tenam_panjakana ato Menabe izay notarihiny PrΓ©fet ny Morondava sy ireo mpiara_miombon’antoka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Nambaran’andriamatoa minisitra androany fa mitana anjara toerana lehibe eo amin’ ny tontolo iainana ny Honko satria ao anatin’ny ala honko no miaina sy mivelona ireo Drakaka sy tsisika ary ireo ampahana trondro sasany sady fiveloman’ireo mponina ny ala honko no miaro ny sisin_tany tsy ho kahon’ny rika ihany koa raha ny vinan’ny fitondram_panjakana ao anatin’ny zato andro dia velaran_tany 8.000 Ha no ezahina rakofana ala honko manerana an’ny Madagasikara.

Isany manana anjara lehibe eo amin’ny fikajiana ny faritra mando ny firenena Malagasy satria ny roa isan_jaton’ny ala honko maneran-tany dia eto Madagasikara. Androany ihany koa moa ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny zava_mananaina dia sy ny teknolojia ka ho fanamarinana izany dia nisy koa ny fambolen_kazo tamin’ny alalan’ny Drone ka voan’ny Afiafy no nafafy tamin’ny alalan’ny Drone telo no nampiasaina nambaran’ny minisitra moa fa afaka mifandray tsara ny teknolojia sy ny tontolo iainana sady afaka hiarovana ny tontolo iainana ny teknolojia no afaka hikajiana ny tontolo iainana.

Nisaotra ny fitondrana foibe moa ny ben’ny TanΓ nan’ny kaominina ambanivohitra Marofandilia raha nandray fitenena amin’ny nisafidianana ny kaominina ary ihany koa ny fiavian’ny minisitra tonga na dia sarotra aza ny lalana satria nirobo_drano sady nandeha fotaka ary nanome toky ny ben’ny tanana fa hanentanana ny olona hiaro sy hikajy ireo honko voavoly satria hoy izy efa milamina izao ny resaka tsy fandriam_pahalemana dia ny fikajiana ireo ala indray no hiara mientana ka atao toin’ny fiaraha mientana toin’ny manara_dia omby very koa ny fikajiana ny ala.

Tsy adinon’ny minisitra moa ireo vehivavy izay ao anatin’ny fihomanana ny fankalazana ny andron’ny vehivavy ka nanolotra vola ho azy ireo ny tenany ho en_timanana amin’izany ary novatsiana fitaovana koa ireo vehivavy ao amin’ny fokotany dimy anatin’ny kaominina ambanivohitra Marofandilia izay notolorana milina fanjairana miisa 6 sy angady 20 izay fiarahamiasa ny fitondram_panjakana tamin’ny alalan’ny ministeran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain_jafy sy ny WWF izao no natao dia ho fijerevana ny sosialin’ireo vondron’olona ifotony hoy andriamatoa minisitra.

Nangonin’i Ra Pa – Menabe

Related Post