Vita androany ny fifamin_drampitatana teo amin’ny Talem-paritry ny serasera sy kolontsaina Alaotra_Mangoro

285 0

✅Tontosa androany Zoma 01 Febroary 2024 tao amin’ny tranobean’ny Serasera sy Kolontsaina Masinjara Ambatondrazaka ny lanonana fifamindram-pahefana teo amin’ny talem-paritry ny Kolontsaina sy ny Serasera teo aloha Andriamatoa René Julio sy ny talem-paritra vaovao Andriamatoa Fetra Andriatsialonona.

✅Ny lanonana dia natao teo amban’ny fitarihan’ny Préfet an’Ambatondrazaka Dr RAKOTOARIDINA Dieudonné ary nontronon’ireo tompon’andraikitra isa-tsokajiny avy sy olo manakaja sivily sy miaramila ary ireo fianakaviana.

✅ Nitanisa ireo asa vitany ny talem-paritra teo alohana ary nitso-drano ny talem-paritra vaovao raha nisaotra tamin’ireo asa sy ezaka vitan’ny teo aloha kosa ity farany sady namariparitra ireo asa maika sy fanatsarana ho atao eo anivon’ny fitalevam-paritra na io eo amin’ny lafiny serasera na ny resaka Kolontsaina.

✅Nisaotra manokana ny Fitondram-panjakana indrindra fa ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian ary ny Minisitry ny serasera sy ny Kolontsaina moa ny tale vaovao amin’izao fametraham-pitokisana natao taminy izao ary nanentana ireo mpiara miasa amin’ny sehatry ny serasera na miankina na tsy miankina mba hiray saina amin’ny fijerena ny tombotsoa iombonana ary nanetana ireo mpisehetra amin’ny kanto ihany koa amin’ny fiaraha-miasa fa vonona hanohana azy ireo ny fitalevam-paritra izay efa manana ny tranobe Masinjara natokana ho an’ny Kolontsaina sy serasera.

Nangonin’i Lova – Ambato

Related Post

Fahavitantena ara-tsakafo

Posted by - septembre 11, 2024 0
Ny fahavitantena ara-tsakafo dia fototra iray hiankinan’ny fampandrosoana ny firenena. Teto Changsha no nitsidihanay mivady ny parc de Riziculture Longping.…

𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀𝐇𝐀𝐍`𝐍𝐘 𝐕𝐈𝐇/𝐒𝐈𝐃𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀

Posted by - février 20, 2024 0
𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀𝐇𝐀𝐍`𝐍𝐘 𝐕𝐈𝐇/𝐒𝐈𝐃𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 – 𝐍𝐢𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐨𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐞𝐥𝐚𝐛𝐞𝐥𝐚𝐫𝐚𝐧~𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐞𝐭𝐢-𝐦𝐢𝐟𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐢𝐭𝐲  …