Nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy ny faha 27 febroary 2024,ny tetik’asa FIA MORA

160 0
Tetik’asan’ny Ministeran’ny Jono sy ny toe-karena manga izay iarahana amin’ny orinasa Refrigepeche Madagascar izy io,mba ho fitsinjovana ireo tokatrano marefo,ka amidy amin’ny vidiny 4200ar ny iray kilao amin’ny trondro « Drihy  » sy « tretreky « .
 
👉 Eny amin’ny Refrigepeche Ambolomadinika, Bazary kely, ary Valpinson no ahitana ireo vokatra ireo. Haharitra roa volana moa ity tetik’asa ity.
 
 » Ny tanjona dia ahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ,ka hampiakatra ny tahan’ny fihinana trondro,satria anisan’ny sakafo ara-pahasalamana ny trondro » Hoy Atoa Raharimandimby SIMON,Talem-paritry ny Jono sy ny toe-karena manga Atsinanana.
 
Manam-pahefana maro no tonga nanome voninahitra ny lanonana fanokafana an’ity tetik’asa FIA MORA ity.
 

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝗶𝗻`𝗻𝘆 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝘁𝗼

Posted by - juillet 14, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝗶𝗻`𝗻𝘆 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝘁𝗼 (𝖬𝖺𝗒 𝗇𝗒 𝗏𝗈𝗅𝖺 𝗂𝗄𝖺𝗋𝖺𝗄𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺 𝖿𝗂𝖽𝗂𝗋𝖺𝗇`𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖺𝗇𝖺𝗍𝗋𝖺) ✦Kilan`ny afo ny…

KAOMININA ANOSY AVARATRA

Posted by - décembre 26, 2023 0
20 Kilaometara miala an’Antananarivo Renivohitra, manaraka ny Lalam-pirenena Faha3 iny no ahitana ny Kaominina Anosy Avaratra, ao anatin’ny Distrika Antananarivo…