Nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy ny faha 27 febroary 2024,ny tetik’asa FIA MORA

492 0
Tetik’asan’ny Ministeran’ny Jono sy ny toe-karena manga izay iarahana amin’ny orinasa Refrigepeche Madagascar izy io,mba ho fitsinjovana ireo tokatrano marefo,ka amidy amin’ny vidiny 4200ar ny iray kilao amin’ny trondro « Drihy  » sy « tretreky « .
 
👉 Eny amin’ny Refrigepeche Ambolomadinika, Bazary kely, ary Valpinson no ahitana ireo vokatra ireo. Haharitra roa volana moa ity tetik’asa ity.
 
 » Ny tanjona dia ahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ,ka hampiakatra ny tahan’ny fihinana trondro,satria anisan’ny sakafo ara-pahasalamana ny trondro » Hoy Atoa Raharimandimby SIMON,Talem-paritry ny Jono sy ny toe-karena manga Atsinanana.
 
Manam-pahefana maro no tonga nanome voninahitra ny lanonana fanokafana an’ity tetik’asa FIA MORA ity.
 

Related Post

𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑’𝐈𝐌𝐄𝐑𝐈𝐓𝐒𝐈𝐀𝐓𝐎𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐕𝐎𝐀𝐑𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐍-𝐊𝐄𝐇𝐈𝐓𝐑𝐈𝐍𝐘

Posted by - décembre 7, 2025 0
Kaominina iray amin’ireo 23 mandrafitra ny faritra Itasy ao anatin’ny distrikan’ny Arivonimamo ny kaominina ambonivohitr’Imeritsiatosika , manana velaran-tany mirefy 173Km²…

VOHITRA VOHITRAMBO, COMMUNE MIARINAVARATRA, DISTRIKAN FANDRIANA

Posted by - juillet 10, 2024 0
𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀𝐌𝐁𝐎, 𝐂𝐎𝐌𝐌𝐔𝐍𝐄 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐈𝐍𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀, 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 — Velon-taraina ny Mponina nohon’ny fahasimban’ny « Pilône eto Vohitrambo » izay mamatsy fifandraisana…