TOAMASINA : Lehilahy Mpisoloky iray no voasambotry ny Polisy vavy

19 0
TOAMASINA : Lehilahy Mpisoloky iray no voasambotry ny Polisy vavy iray rehefa nifanenjehana tao Bazary kely.
Tsy mionona amin’ny fanentana amin’ny ady amin’ny herisetra miompana amin’ny maha lahy na maha vavy ihany ny « Brigade Féminine de Proximité » na BFP avy ao amin’ny Commissariat Central, fa misehatra tanteraka amin’ny fitandroana ny filaminana amin’ny ankapobeny ihany koa.
 
🔼Araka izany, lehilahy iray no voasambotry ny Polisy vavy ny alatsinainy 26 febroary 2024, tokony ho tamin’ny 04 ora tolakandro teo bazary kely.
 
Nametraka fitoriana fa voasolokin’ity lehilahy voasambotra ity vola mitetina 242.000 ariary ny tompon’andraikitry ny « cash point » anakiray teny Andranomadio. Ny fomba fiadiny dia mandefa vola izy ary ataony tsy ampy ka mamerina ny vola ilay eo amin’ny cash point sady milaza fa tsy ampy. Avy eo raisiny ilay vola ka averiny indray mandeha sady akorotany no milaza izy fa ireo ilay vola ary lasa izy mandeha.
 
👉Tsikaritr’ilay madama voasoloky tampoka anefa ity farany ka niantso vonjeo izy. Nitsoka avy hatrany anefa ramana ka nohejehin’ireto Polisy vavy ary tratra,ka noentina ao amin’ny Commissariat Central Toamasina 
 
Nangonin’i Caludia Tsitolomy
 
 

Related Post