Toamasina : Vehivavy mamelon-tena irery miisa 140 no nomena fiofanana manjaitra.

320 0
Natomboka ny alatsinainy 26 febroary 2024 ny fanofanana faobe amin’ny fanjairana (coupe et couture), izay karakarain’ny Minisiteran’ny Fampianarana Tekinika sy ny Fanofanana arak’asa. Nitarika ny lanonana tamin’izany ny minisitra, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY.
 
🔼Miisa 140 ireo vehivavy manaraka ity fiofanana ity . Rehefa vita ny fiofanana dia hizarana “kit de démarrage”, toy ny fitaovana fanjairana, ireo vehivavy mpiofana ireo mba hahafahan’izy ireo miasa avy hatrany.
 
🔼Nambaran’ny Minisitry ny Fampianarana tekinika sy ny Fanofanana arak’asa fa ireo vehivavy nofanina, manana ny fanamarinana fahavitam-piofanana, no hanjaitra ireo aron’akanjo miisa 3 tapitrisa, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenenana, tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena, Andry RAJOELINA.
 
👉Zava-dehibe ho an’ireo vehivavy mamelo-tena irery izany, satria sady hivoatra ny fari-piainan’izy ireo no ho afaka amin’ny fiakinan-doha amin’ny hafa izy ireo, ka tsy ho vesatra ho an’ny fiaraha-monina intsony.
 
Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

Amparafaravola, nitrangana Kidnaping

Posted by - juin 5, 2024 0
𝐋𝐀𝐇𝐈𝐋𝐀𝐋𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐋𝐀𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐊𝐈𝐃𝐍𝐀𝐏𝐏𝐈𝐍𝐆 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐈𝐑𝐀𝐍𝐎/𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐏𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀𝐕𝐎𝐋𝐀 Ny alin’ny Talata 04 Jona 2024 tokony ho tamin’ny sivy ora…

Kaominina ambanivohitra Bemokotrà | Fitokanana tsena tamin’ny fomba ofisialy

Posted by - mai 18, 2025 0
𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐝𝐚𝐯𝐚/𝐁𝐞𝐦𝐨𝐤𝐨𝐭𝐫𝐚̀: 𝐍𝐢𝐭𝐨𝐤𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐨𝐟𝐢𝐬𝐢𝐚𝐥𝐲 𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐫𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐭𝐞𝐨 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐢𝐬𝐚𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐀𝐥𝐚𝐡𝐚𝐝𝐲. Ny marainan’ny Alahady teo no nanatanteraka…