Toamasina : Vehivavy mamelon-tena irery miisa 140 no nomena fiofanana manjaitra.

368 0
Natomboka ny alatsinainy 26 febroary 2024 ny fanofanana faobe amin’ny fanjairana (coupe et couture), izay karakarain’ny Minisiteran’ny Fampianarana Tekinika sy ny Fanofanana arak’asa. Nitarika ny lanonana tamin’izany ny minisitra, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY.
 
🔼Miisa 140 ireo vehivavy manaraka ity fiofanana ity . Rehefa vita ny fiofanana dia hizarana “kit de démarrage”, toy ny fitaovana fanjairana, ireo vehivavy mpiofana ireo mba hahafahan’izy ireo miasa avy hatrany.
 
🔼Nambaran’ny Minisitry ny Fampianarana tekinika sy ny Fanofanana arak’asa fa ireo vehivavy nofanina, manana ny fanamarinana fahavitam-piofanana, no hanjaitra ireo aron’akanjo miisa 3 tapitrisa, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenenana, tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena, Andry RAJOELINA.
 
👉Zava-dehibe ho an’ireo vehivavy mamelo-tena irery izany, satria sady hivoatra ny fari-piainan’izy ireo no ho afaka amin’ny fiakinan-doha amin’ny hafa izy ireo, ka tsy ho vesatra ho an’ny fiaraha-monina intsony.
 
Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐅𝐨𝐤𝐨𝐧𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐯𝐲 amin’ny 𝐟𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 11 𝐧𝐢𝐟𝐚𝐫𝐢𝐦𝐛𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐥𝐚̀𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐍32 𝐛𝐢𝐬

Posted by - avril 18, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐅𝐨𝐤𝐨𝐧𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐯𝐲 amin’ny 𝐟𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 11 𝐧𝐢𝐟𝐚𝐫𝐢𝐦𝐛𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐥𝐚̀𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐍32 𝐛𝐢𝐬 (𝑵𝒂𝒏𝒂𝒎𝒑𝒚 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒇𝒐𝒌𝒐𝒏𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏`𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒂𝒕𝒓𝒆𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚…

𝗙𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗗𝗥𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔

Posted by - juin 16, 2025 0
𝐓𝐬𝐲 𝐞𝐤𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐚𝐬𝐚𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐦𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐁𝐞𝐥𝐨 𝐬𝐮𝐫 𝐓𝐬𝐢𝐫𝐢𝐛𝐢𝐡𝐢𝐧𝐚 Ny asabotsy faha 14 Jiona teo…