MANJAKANDRIANA : MISY NY HALA-BOTRY ARY NISY NY FANAFIHANA MITAM-PIADIANA ATAONA ANDIAN-JIOLAHY(dahalo)

67 0
Anjakan’ny hala-botry ny fokontany sasany ao amin’ny Kaominina renivohitra Manjakandriana ankehitriny, lasibatra tamin’izany ny tokantrano iray tao Mahatafandry ny 21 febroary lasa teo tokony ho tamin’ny 11 Ora atoandro ;ka vary fotsy tapaky ny gony sy vary akotry iray gony Ary finday no lasibatra.
πŸ‘‰Tsy mbola fantatra mazava ny nahavanon-doza hatreto na dia efa nanao ny hazalambo ary ireo fokonolona.
πŸ‘‰ Ankoatra ny hala-botry dia nanambara ny mponina ao an-toerana fa tsy hala-botry intsony raha ilay mahakasika ny fanafihana MITAM-PIADIANA ny 7 Febroary 2024 no ho resahina ary azo sokajiana ho faritra mena ireo fokontany voakasika ankehitriny raha ny nambaran’ny filoham-pokontany.
 
Voamarina ihany koa fa nisy ny fikasana hanao fanafihana nataona Jiolahy (daholo) ampolony teo amin’ny fokontany Mahatafandry manjakandriana ny 7 Febroary lasa teo saingy tsy tanteraka izany rehefa niverina tampoka ny jiro tapaka teo amin’ity fokontany ity.
 
Rehefa tsy mahomby araka izany ny fikasan-dratsin’ireto Jiolahy nitondra basy ireto; nikisaka teo amin’ny fokontany Samia izy ireo ny alin’io hatrany ary tao no nanapoaka basy sy nadroba mpivarotra ka vola sy entana maromaro no lasan’izy ireo tamina tokantrano vitsivitsy.
 
Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra izay voakasika araka izany ireo mponina ao amin’ny ireo fokontany ireo ny MBA hijerena manokana ny tsy fandriampalemana ao an-toerana ;satria ny atoandro efa reraky ny asa kanefa ny Alina ihany koa Mbola tsisy torimaso vanona.
 
Anisan’ny angatahin’izy ireo manokana ihany koa ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana aram-potoana izay misahana ny fokontany andrenivohitra rehefa misy ny tranga tahaka izao fa tsy toy ilay tranga tao Samia ny alin’io fanafihana io;izay mifandraika amin’ny fampitaovana ampiasain’izy ireo izany ( toy ny fanampiana fitaovana « fiara,motoΒ Β» entina miasa eny ankianja hoy hatrany ireo mponina.
 
Nisy ny fivoriana niarahan’ny filoham-pokontany miisa 7 niaraka tamin’ny tompon’andraikitra tao an-toerana taorian’ny tranga ahafahana manafongatra izao zavamisy ao Manjakandriana izao.
Ka anisan’izany ny fokontany Mahatafandry, Antsamalaza, betsitoavina, Samia, Betambatra Marinjara,ary Soavinadriana .
 
❌❌⏏️ Ankoatr’zay ,
Araky ny filazan’ny mpitandro ny filaminana misahana ity raharaha ity ao Manjakandriana dia marina fa trangan-javatra ireny saingy efa mandray andraikitra ny manam-pahefana❌❌
 
Nangonin’i  Malala Tsaroana

Related Post