π•πšπ«πšπ―πšπ«πšπ§πš 𝐦𝐒𝐬𝐨𝐀𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐑𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐑𝐚𝐬𝐚π₯𝐚𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐝𝐒𝐬𝐭𝐫𝐒𝐀𝐚𝐧’𝐒 𝐁𝐞𝐫𝐨𝐫𝐨𝐑𝐚

256 0
Natomboka omaly ary mitohy anio ny varavarana misokatra ho an’ny fahasalamana eto amin’ny distrikan’i BEROROHA.
 
Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny 100 andro ny fitondram-panjakana @ alalan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy mpiray miombonantoka aminy.
 
Tolotra maro sady maimaimpoana no omena mandritra izao hetsika haharitra telo andro izao,toy ny fizahampahasalamana sy fitsaboana ireo aretina samihafa.Ny fitiliana VIH SIDA, tuberculose, bilharziose…famorana zaza faobe ary ny fandrindrafiainam-pianakaviana.Nanokatra ara-pomba ofisialy izany omaly teto amin’ny CHRD Beroroha ny delegem-panjakana eto Beroroha Atoa MAMY Harison,natrehin’ireo lehiben’ny sampandraharaha avy eto antoerana.Taorian’io dia nitsidika ireo efitrano fandraisana marary ireto solontenampanjakana.Rahampitso asabotsy faha 24 febroary 2024 no hifarana ity varavarana misokatra ho an’ny fahasalamana eto Beroroha ity izay ahatsapan’ny vahoaka fa miezaka tokoa ny fitondrana ankehitriny mikatsaka ny fahasalamana ho an’ny daholobe.
 
Nangonin’i Joachim Ambroise

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐅𝐨𝐀𝐨𝐧𝐨π₯𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐯𝐲 amin’ny 𝐟𝐨𝐀𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 11 π§π’πŸπšπ«π’π¦π›π¨π§πš 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐒𝐧𝐚 π₯πšΜ€π₯𝐚𝐧𝐚 π¬π’π¦π›πš 𝐭𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐍32 𝐛𝐒𝐬

Posted by - avril 18, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐅𝐨𝐀𝐨𝐧𝐨π₯𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐯𝐲 amin’ny 𝐟𝐨𝐀𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 11 π§π’πŸπšπ«π’π¦π›π¨π§πš 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐒𝐧𝐚 π₯πšΜ€π₯𝐚𝐧𝐚 π¬π’π¦π›πš 𝐭𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐍32 𝐛𝐒𝐬 (π‘΅π’‚π’π’‚π’Žπ’‘π’š π’Šπ’“π’†π’ π’‡π’π’Œπ’π’π’π’π’π’π’‚ π’•π’‚π’Žπ’Šπ’`π’π’š π’‡π’Šπ’‚π’•π’“π’†π’‰π’‚π’π’‚ π’Šπ’›π’‚π’π’š…