Lasan´ny orinasa sinoa Medi ny tany 7ha etsy Bemahatazana Antsofonondry Sabotsy Namehana

431 0

 » Lasan´ny orinasa sinoa Medi ny tany 7ha etsy Bemahatazana Antsofonondry Sabotsy Namehana  » villa Fiadanantsoa V ».

Trano mijoro miisa 15 no narodana avokoa izay an’ny fianakaviana mpandova, fantatra fa Tranon-drazana sy fasana sisa no tsy nokitihina . Ny fanampim-baovao teny an-toerana no nahalalana fa efa nisy fifanolanana ny ity  tany ity,

Efa hatramin’ny taona 1973 no nandovan´ny taranaka ny tanin´i Rasamoelina sy Ratsaraide razambeny ny tany Villa Fiadanatsoa V. Nisy nangalatra anefa ny bokin-tany, ary tany amin’ny tera-tany karana no hita, io karana io indray no nivarotra tamin´ny sinoa tompon´ny orinasa Medi, araka ny fitantaran´ireo mpandova .

Anio Alakamisy 22 febroary 2024 tamin´ny 4.30 ora sy sasany maraina no efa nanemitra ny tanàna ny zandary niaraka tamin’ny vadintany, tamin´ny 5.30 maraina  tany ho any no nanomboka ny fanatanterahana ny fandrodanana, ary izay nampiasana irony fitaovana lehibe fandravana trano irony.  

Avy hatrany moa dia fandravana tsy misy indrafo no natao, na dia nitalaho an-dranomaso tsy handravana ny trano aza ireto tompon-trano.

Ho arahintsika eto ny tohiny…

Nangonin’ Lay Mahintsy

Related Post

𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀𝐕𝐎𝐀𝐕𝐎 | 𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐀𝐍-𝐉𝐀𝐓𝐎𝐍𝐘 𝐇𝐄𝐊𝐓𝐀𝐑𝐀 𝐋𝐀𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀 𝐓𝐎𝐊𝐀𝐍𝐀 “𝐓𝐒𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐎𝐕𝐀”

Posted by - novembre 4, 2025 0
« 𝑨𝒗𝒆𝒓𝒆𝒏𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏𝒂𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒏𝒂𝒚, 𝒔𝒐𝒍𝒐𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒓𝒂𝒏𝒐𝒏𝒂𝒚 𝒏𝒐𝒅𝒐𝒓𝒂𝒏𝒂𝒐, 𝒂𝒗𝒆𝒓𝒆𝒏𝒐 𝒏𝒚 𝒗𝒐𝒌𝒂𝒕𝒓𝒂𝒚 𝒏𝒂𝒏𝒈𝒂𝒍𝒂𝒓𝒊𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐… 𝑭𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒋𝒐𝒓𝒐 𝒐̂! 𝑽𝒐𝒏𝒋𝒆𝒐 𝒓𝒆 𝒊𝒛𝒂𝒉𝒂𝒚 !…