Fiakaran’ny rano | Tsy miraviravy tanana ny Commune Urbaine de Toamasina

555 0
Ankirihiry 11/56:  Tsy miraviravy tanana ny Commune Urbaine de Toamasina,amin’ny fanampiana ireo vahoaka amin’ny famoahana ny rano.
 
Nanomboka ny maraina teo ,dia niasa tao antoerana ny mpiasan’ny Sampana mpamonjy voina,ary nanampy azy ireo ny avy amin’ny Tafika Malagasy tamin’ny alalan’ny 4em UPC.
 
Raha ny fantatra dia hotohizana androany alina ny asa,araka ny toromarika avy amin’ny Ben’ny Tananan’ny Toamasina. Sady midina ifotony no manara-maso ny asa ny Lefitra faharoan’ny Ben’ny Tanana ,Atoa Rabelonahina Martial.
 
Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐅𝐎𝐓𝐎𝐍𝐘 : 𝐌𝐈𝐑𝐎𝐒𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐌𝐈𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐙𝐀𝐕𝐀 𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐈𝐅𝐎𝐓𝐒𝐘

Posted by - février 25, 2026 0
Antanifotsy, 24 Febroary 2026 – Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fampandrosoana eny ifotony ny dinika notarihin-dRamatoa Ravaonirina Nathalie Sebastienne, Lehiben’ny Faritra…