Fanamafisana fiaraha-miasa sy fahaiza-manao. Miofana momba ny statistika, mandritra ny telo andro, any Antsirabe, ny mpanao gazety 20 avy ao amin’ny faritra Analamanga.
Fiaraha-miasan’ny INSTAT sy ny OJM, famatsiam-bolan’ny Banky iraisampirenena, amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny SNDS na ny Paikadim-pirenena momba ny fampivoarana ny statistika.
Hitohy amina fiofanana somary lalindalina kokoa ary ho any amin’ireo mpanao gazety amin’ny faritra hafa ny hetsika. Hatsangana aorian’ny fiofanana ny « pool »-n’ny mpanao gazety manana fahaizana manokana momba ny statistika.
📌 Nisy firehetana tao amin’ny efitrano fitehirizam_bakisiny tao amin’ny CSB2 Antsinanantsena Antsirabe tokony ho tamin’ny 6ora maraina teo, may avokoa…
Famindram-pitatanana teo anivon’ny Fitaleovam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Melaky. Tontosa soa amantsara Androany Zoma faha 15 Volana Martsa 2024…