Ratsimandrava Richard dia miaramila sy mpitondra fanjakana malagasy, teraka tamin’ ny 21 Marsa 1931 tao Mangarivotra, Antananarivo ary maty tamin’ ny 11 Febroary 1975 tao Antananarivo. Nanampakatra an-dRazafindramoizina Thérèse izy ny 22 Septambra 1956 ary niteraka enina izy ireo. Nitondra an’ i Madagasikara nandritra ny enina andro izy, nanomboka tamin’ ny 5 ka hatramin’ ny 11 Febroary 1975 nahafatesany taorian’ ny namonoan’ ny « fahavalom-pirenena » azy.
Ny Fianarana nataony
- 1938: Sekoly AmbavahadimangatsiakaAntsirabe
- 1940: 9éme hatramin’ ny Terminales teny amin’ ny Lycée Galliénitao Andohalo Antananarivo
- 1952-1954: nanohy fianarana tao amin’ ny Lycée Carnottao Dijon
- 1954-1956: voaray soa amantsara tao amin’ ny École Spéciale Militaire Interarmes de Saint-Cyr
Mari-boninahitra azony
- 20 Aogositra 1957: Commémoration AFN
- 14 Jiona 1966: Chevalier de l’Ordre national
- 14 Oktobra 1971: Officier de l’Ordre national
- 31 Desambra 1971: Chevalier de la Légion d’honneur
- 5 Febroary 1975: Grand Cordon de l’Ordre national
Ny asa sy adidy niandraiketany
- 1 Ôktôbra 1956: niofana tao amin’ ny École d’application de l’Infanterie de St Maixent France raha mbola nitondra ny mariboninahitra Sous-lieutenant
- 1956-1958: niatrika ady tany Marocsy Algérie
- 1 martsa 1958: nanao ny sekoly Infanterie coloniale
- 17 aogositra 1958: namarana ny fiofanana tao amin’ ny École d’application de l’infanterie de Saint Maixent
- 1 Ôktôbra 1958: nahazo fisondrotan’ ny mariboninahitra ho Lieutenant
- 5 Janoary 1959: nampianatra tao amin’ ny Centre d’instruction des nouvelles recruestao amin’ ny Camp Galliéni tany Fréjus (Frantsa)
- 28 Ôktôbra 1959: nampianatra tao amin’ ny Centre d’instruction des nouvelles recruestao Beravina Fianarantsoa
- 11 Jiona 1960: voatendry ho Mpifehy ny HolafitraFaha-2, 1er Régiment Interarmes Malgache Antananarivo
- 1 Febroary 1962: nasondrotra hitondra ny mariboninahitra Kapiteny
- Nôvambra 1962: voatendry tao amin’ ny Zandarmaria nasionaly
- Mey 1963: niofana ho Zandary tany Lodève(Hérault, Frantsa)
- Ôktôbra 1963: Niofana tao amin’ ny Sekoly Manamboninahitra Zandary, Melun,(Frantsa)
- Jona 1964: Nahazo ny fanamarinam-pianarana tamin’ny Sciences criminologiquestao Paris
- Jolay 1964: Niverina indray teto Madagasikara ary izy no Manamboninahitra Zandary Malagasy voalohany
- Septambra 1964: Voatendry ho Lefitry ny Commandant du Groupement de la Gendarmerietany Toamasina
- Aogositra 1967: Notendrena ho Lefitry ny Komandy Ambony tao amin’ ny Zandarmaria nasionaly 1 Jiona 1968: Nahazo fisondrotan’ ny mariboninahitra ho Lieutenant Colonel
- 1 Avrily 1969: Notoloran’ ny Filohan’ ny RepoblikaPhilibert Tsiranana ny Fanevan’ ny Komandy ambony ao amin’ ny Zandarmaria.
- 13 Mey 1972: voatondro ho nikomy tamin’ ny Fanjakana mpitondra izy raha nanameloka ny fitifirana ny mpianatra Tolon’ ny Mpianatratamin’ ny 13 Mey 1972
- 25 Mey 1972: Notendrena ho Minisitry ny Atitany, sady Komandin’ ny Zandarmaria nasionaly, tamin’ ny Governemantanotarihin’ ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel
- 8 Ôktôbra 1972: fitsapan-kevi-bahoakamomba ny hananganana ny Fokonolona ka nandresen’ ny « ENY »
- 1 Janoary 1973: nomena ny fisondrotan’ny mariboninahitra ho Kolonely
- Martsa 1973- desambra 1974: noho izy Minisitry ny Ati-tany no nahazoany ny solon’ anarana hoe « Minisitry ny Ala-olana »
- 23 janoary 1975: rava ny Governemantan’ ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel
- 5 febroary 1975: natolotry ny Jeneraly Ramanantsoa azy ny « Fahefana feno » hitondra ny Tany sy ny Fanjakana ka nanekeny fa « tsy hiamboho adidy » izy.
Ny nahafatesany
Talata 11 Febroary 1975 tamin’ ny 8 ora alina: lavon’ ny balan’ i Zimbo teo Ambohijatovo ambony Ratsimandrava. Maty voatifitra niaraka taminy ny mpiambina azy GP2 Rabotovao Samuel sy GP2 Rakotoarisoa Bernard
🌐 Loharano nanovozana : https://mg.wikipedia.org