Colonel Ranaivoarison Theodule | Nanolotra kidoro hampiasain’ny Zandary

607 0
Toamasina: Nanolotra kidoro hampiasain’ny Zandary miasa amin’ny Poste Fixe ,ny Kaomandin’ny CIRGN Toamasina,Colonel Ranaivoarison Theodule.
 
πŸ“Œ Poste Fixe miisa efatra no efa nanaterana kidoro omaly, dia ny tao Fanandrana,Antetezantona,Ambalamanasy,ary Antetezambaro ka ny Chef d’EscadronArthur Ramanantseferaa, Kaomandin’ny vondrotobim-paritry ny zandarimaria Toamasina ,no nanatitra izany,araka ny iraka izay nampanaovin’ny Kaomandin’ny CIRGN Toamasina azy.
 
πŸ“Œ Nisy ny tafa izay nataony tamin’ireo zandary izay miasa amin’ireo Poste Fixe ireo,dia ny hanohizana ny ezaka atao amin’ny asa fampandriana fahalemana ny tanana.
 
πŸ“Œ Ny fanolorana fitaovana tahaka izao rahateo no atao dia mba ho famporisihana ireo Zandary hanatanteraka tsara ny asany.
 
πŸ†” Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

KAOMININA ANOSY AVARATRA

Posted by - dΓ©cembre 26, 2023 0
20 Kilaometara miala an’Antananarivo Renivohitra, manaraka ny Lalam-pirenena Faha3 iny no ahitana ny Kaominina Anosy Avaratra, ao anatin’ny Distrika Antananarivo…