TOAMASINA : Tafatsangana ny « Cellule de contrôle interne et de la restauration des disciplines » eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Atsinanana.
📌 Izy io dia rafitra iray najoro,mba hanentana ny tsirairay mba ho mendrika ara-pitondrantena eo ampanatanterahana ny asany amin’ny ankapobeny,ho fisorohana ny kolikoly.
Voakasik’izany ihany koa ireo Pôlisy.
📌 Nanatanteraka fidinana ifotony voalohany ny Pôlisy ao anatin’io rafitra io omaly faha 9 febroary 2024 ,ka natombok’izy ireo teo amin’ny Barrage F.I.P Analamalotra izany.
📌 Nanentana ireo Pôlisy sy ny mpamily izy ireo mba hampitsahatra ny fihetsika izay miendrika kolikoly, satria antony mampirongatra ny fandikandalàna eny amin’ny lalam-pirenena izany.
📌 Marihina moa fa nisy mpamily 50 nosavaina, ka ny 41 tamin’ireo no fantatra fa tsy nanara-dalàna.
🆔 Nangonin’i Claudia Tsitolomy Tena Izy