Fokotany Ambodisiny, sy Ambodisaina, Kaominina Amboditandroho,Distrikan’ny Toamasina II

601 0
๐Ÿ“Œ Natao androany faha 9 febroary 2023 ny lanonanana,ho fanolorana ny salotr’aina ,ho an’ireo mpanjono miisa 190. ยซย Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toe-karena manga miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka. Ankoatra izay dia misy ny tantsoroka ara-teknika ,ka nomena fiofanana mandritran’ny telo taona ireo mpanjono mba ho matihanina amin’ny fampiahara ireo teknikam-panjonoana manara-penitra .
 
๐Ÿ“Œ Marihina moa fa hatramin’ny taona 2023,dia efa maherin’ny 1400 ireo mpanjono nisitraka salotr’aina.
Hotohizana hatrany ny fampitaovana ireo mpanjono,sy ny mpivarotra trondro amin’ity taona ity ย ยป hoy ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toe-karena Manga Atsinanana.
 
๐Ÿ“ŒManam-pahefana maro no nanome voninahitra ity fotoana ity androany,izay nahitร na ny Solombavam-bahoakan’ny Toamasina Faharoa Atoa ROILAHY JONAH sy ny Ben’ny Tananan’ny Kaominina Amboditandroho Atoa Andrianary THIERRY DIDIER ,izay samy faly ary nankasitraka ny Fitondram-panjakana,satria mamaha olan’ny mpanjono ny fazahoana ireo fitaovana ireo ,satria miaro azy ireo amin’ny loza mety hitranga.
 
๐Ÿ†” Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

PORT-BERGE | NANGATAHIN’NY VAHOAKA HIROTSAKA HO DEPIOTE Dr ADOLPHE FIAREMA

Posted by - mars 17, 2024 0
๐๐Ž๐‘๐“-๐๐„๐‘๐†๐„ | ๐๐€๐๐†๐€๐“๐€๐‡๐ˆ๐’๐๐˜ ๐•๐€๐‡๐Ž๐€๐Š๐€ ๐‡๐ˆ๐‘๐Ž๐“๐’๐€๐Š๐€ ๐‡๐Ž ๐ƒ๐„๐๐ˆ๐Ž๐“๐„ ๐ƒ๐ซ ๐€๐ƒ๐Ž๐‹๐๐‡๐„ ๐…๐ˆ๐€๐‘๐„๐Œ๐€ ๐“๐„๐Ž ๐€๐Œ๐๐€๐๐€๐Ž๐•๐€๐๐€ ๐“๐€๐“๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐€๐Œ๐ˆ๐’๐๐˜ ๐Œ๐€๐‡๐€ ๐๐„๐’๐๐˜ ๐“๐€๐๐€๐๐€ ๐€๐™๐˜. Manana zo…

Akon’ny 26 Jona 2025 | Kaominina Ambanivohitra Befasy

Posted by - juin 28, 2025 0
๐Š๐€๐Ž๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐๐€ ๐€๐Œ๐๐€๐๐ˆ๐•๐Ž๐‡๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐๐„๐…๐€๐’๐˜ , ๐ƒ๐ˆ๐’๐“๐‘๐ˆ๐Š๐€๐’๐๐˜ ๐Œ๐Ž๐‘๐Ž๐๐ƒ๐€๐•๐€ ๐—ก๐—œ๐—”๐—ฉ๐—”๐—ž๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—ก๐—ž๐—”๐—Ÿ๐—”๐—ญ๐—”๐—ก๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—˜๐—ง๐—œ๐— -๐—ฃ๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ก๐—˜๐—ก๐—” ๐—ง๐—”๐— ๐—œ๐—ก’๐—œ๐—ง๐—ฌ ๐—ง๐—”๐—ข๐—ก๐—” ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿฑ ๐—œ๐—ง๐—ฌ Nanomboka ny faha 19 Jiona…