TOAMASINA : Misy hatrany ny vokatra azon’ny Pôlisy mandritran’ny fanaovana fisafoana andro sy alina.

389 0
📌 Nanamarika ny Commissariat Central Toamasina ny fahatratrarana lehilahy iray mpanendaka,izay nahatratrarana antsy lava iray miampy telepjone halatra tamin’ny lalam-pasika ambadiky ny gare routière Tanambao V ,ny 09 febroary 2024 tamin’ny 01 ora maraina.
 
📌Nisy namany roa hafa kosa no tafatsoka.
Rehefa natao ny fanadihadiana dia hita ny tompon’ilay telephone fa tovovavy iray nohedahin’izy ireo tany @ boulevard Joffre.
 
📌 Mitohy ny fikarohana ireo namany ,izay ahina ho mpanao ny asa fanendahana manomboka eny amin’ny morondranomasina, mandrapahatonga amin’ny Tanamakoa lalana, Lycée Francais sy Lycée Technique hatreny amin’ny gare routière Tanambao V iny.
 
📌 Nambaran’ny Commissaire Rakotondrainivonona Panöel TSIKY, Lehiben’ny Commissariat Central fa « mitohy ny fanatanterahana ny toromarika avy amin’ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka amin’ny fametrahana fandriam-pahalemana eto Toamasina.
 
📌 Manentana ny tsirairay mba ho sahy hampandre mpitandro ny Filaminana raha toa ka mahatsikaritra trangana tsy fandriam-pahalemana. »

🆔 Nangonin’i Claudia Tsitolomy Tena Izy

Related Post

𝗦𝗢𝗟𝗢𝗠𝗕𝗔𝗩𝗔𝗠𝗕𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗜𝗗𝗬 𝗧𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗗𝗜𝗦𝗧𝗥𝗜𝗞𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗕𝗢 𝗡𝗜𝗭𝗔𝗥𝗔 𝗙𝗜𝗧𝗔𝗢𝗩𝗔𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗞𝗔𝗢𝗠𝗜𝗡𝗜𝗡𝗔 𝟭𝟮 𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗙𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗗𝗜𝗦𝗧𝗥𝗜𝗞𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗕𝗢

Posted by - septembre 12, 2024 0
𝙷𝚘 𝚏𝚊𝚗𝚊𝚖𝚊𝚏𝚒𝚜𝚊𝚗𝚊 𝚗𝚢 𝚙𝚘𝚕𝚒𝚝𝚒𝚔𝚊𝚗’𝚗𝚢 𝚏𝚊𝚗𝚓𝚊𝚔𝚊𝚗𝚊 𝚏𝚘𝚒𝚋𝚎 𝚜𝚢 𝚑𝚘 𝚏𝚊𝚗𝚊𝚖𝚙𝚒𝚊𝚗𝚊 𝚗𝚢 𝚛𝚊𝚢 𝚊𝚖𝚊𝚗-𝚍𝚛𝚎𝚗𝚢 𝚊𝚖𝚒𝚗’𝚒𝚣𝚊𝚘 𝚏𝚒𝚍𝚒𝚛𝚊𝚗’𝚗𝚢 𝚖𝚙𝚒𝚊𝚗𝚊𝚝𝚛𝚊 𝚒𝚣𝚊𝚘 𝚊𝚛𝚢 𝚑𝚘 𝚏𝚊𝚖𝚙𝚘𝚛𝚒𝚜𝚒𝚑𝚊𝚗𝚊 𝚒𝚛𝚎𝚘…