FITSARANA: NOSOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TAOM-PIASANA 2024.

325 0
📌 Alatsinainy faha 05 Febroary 2024. Teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy, Nakatona ny taom-pitsarana 2023 ary nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pitsarana 2024.
 
📌Lanonam-pitsarana manetriketrika notarihan’ny Filoha Voalohany sy ny Lehiben’ny Fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana Tampony. Fotoana nanaovana jery todika ny asa vita ka tsikaritra tao anatin’izany fa tratra ny tanjona nokendrena tamin’ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, vokatry ny fampiharana ny paikady fanavaozana ny fitantanana ny raharaham-pitsarana. Nahavita ezaka goavana ny Fitsarana satria didim-pitsarana miisa 226666 no tafavoaka tamin’ny taom-pitsarana 2023, raha Mpitsara miisa 685 no nisahana izany.
 
📌Amin’ity taom-piasana 2024 ity dia hitombo ny ezaka, raha ny nambaran’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ary efa misy ny asa zato andro nofaritana ho an’ny Minisiteran’ny Fitsarana.
 
📌Nanotrona ny fanokafana ny taom-pitsarana 2024, ireo lehiben’ ny Andrimpanjakana isan-tokony sy ny Mpikambana sasany eo anivon’ny Governemanta. Nisolotena ny Filoham-pirenena izay Filohan’ny CSM kosa ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian.
 
🆔 Nangonin ‘Lay Mahintsy
MinJus

Related Post

𝐅𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐄𝐍𝐀, 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐂𝐓 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀, 𝐑𝐄𝐆𝐈𝐎𝐍 𝐁𝐄𝐓𝐒𝐈𝐁𝐎𝐊𝐀

Posted by - mai 12, 2025 0
Velon-taraina ny vahoaka ao amin’ny Kaominina Andriamena, Distrika Tsarantanana, Faritra Boeny, satria diso fanantenana ny vahoaka manoloana ny fitsimbadihan’ny vokam-pifidianana,…