FAMETRAHANA FANDRIAM-PAHALEMANA, NAVORY IREO LEHIBEN’NY FOKOTANY

629 0

πŸ“Œ Ny maraina ny alatsinainy faha dimy febroary dia namory ireo lehiben’ny fokotany eto amin’ny kaominina Ambonivohitry Morondava ny lehiben’ny vondritobim_pileovana Menabe Colonel Fanevarison Onimihary sy ny lehiben’ny vondritobim_paritra Morondava Capitaine Ramaroson Zo eo anivon’ny zandarimaria ka tamin’izany no nampatsiahivina ny andraikitry ny lehiben’ny fokotany ary ny fandaminana ny tanana satria tena maloto sady tery ny lalana ka tsy maintsy halamina izay ary hampihofanina ireo kartie mobile, nisy koa ny fampitaovana ny fikambanan’ny filoham_pokotany ka notolorana solosaina iray mba hanamora ny asa satria tokony hisy ny anarana sy sarin’ny mponina rehetra ao amin’ny lehiben’ny fokotany, santatra ambavarano izao fa raha ny tokony ho izy dia samy manana solosaina isaky ny fokotany ka hanaovana antso avo amin’ny malalan_tanana ny Tomponandraikitra .

 

πŸ“Œ Velom-pisaorana noho izany ny Filohan’ny fikambanan’ny fokotany Andriamatoa vitasoa Niriko Augustin satria dia manampy amin’ny fanaovana asa izay ary nilaza ny Filohan’ny fokotany fa vonona ny hiara_hiasa tanteraka amin’ny mpitandron’ny filaminana Mitohy hatrany moa ny fampandriham_pahalemana ato Menabe nilaza moa colonel Faneva fa tsy maintsy atao izay hampilamina ny eto Morondava satria eto no renivohitry ny faritra ka tokony ho filamatra tsy azo ekena ny hoe mbola hisy vaky trano eto Morondava, fa ny eto Morondava aloha milamina tsara ary jerena koa ireo manodidina.

πŸ†” Nangonin’i Ra Pa – Menabe

Related Post

ππ‘π„π…π„πŠπ“πˆπŽπ‘π€π’𝐈 π“πŽπ‹πˆπ€π‘π€

Posted by - avril 17, 2024 0
𝑭𝑨𝑴𝑬𝑻𝑹𝑨𝑯𝑨𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑡𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑷𝑨𝑯𝑨𝑳𝑬𝑴𝑨𝑡𝑨 𝑴𝑰𝑨𝑳𝑢𝑯𝑨, 𝑴𝑨𝑡𝑫𝑹𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑨𝑹𝒀 𝑨𝑢𝑹𝑰𝑨𝑡’𝑡𝒀 𝑭𝑰𝑭𝑰𝑫𝑰𝑨𝑡𝑨𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑡𝑨𝑻𝑨𝑡𝑻𝑬𝑹𝑨𝑯𝑨𝑡𝑨 𝑡𝒀 𝑷𝑢𝑳𝑰𝑻𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑡𝑲𝑨𝑷𝑢𝑩𝑬𝑡𝒀 𝑡𝒀 𝑭𝑨𝑡𝑱𝑨𝑲𝑨𝑡𝑨 𝑰𝒁𝑨𝒀 𝑴𝑰𝑭𝑨𝑡𝑨𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑨𝑴𝑰𝑡’𝑡𝒀 𝑽𝑬𝑳𝑰𝑹𝑨𝑡𝑢𝑡’𝑡𝒀 𝑭𝑰𝑳𝑢𝑯𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑹𝑬𝑡𝑬𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑴𝑬𝑹𝑬𝑡𝑨𝑡𝑨 𝑰𝑡𝑫𝑹𝑨𝒀…