๐ ๐๐ก๐๐ฅ๐๐ง๐ฆ๐๐ฅ๐ – ๐๐๐๐๐๐๐๐ฌ 40 ๐ง๐๐ข๐ก๐ ๐ก๐๐ก๐ข๐๐๐ก๐ ๐ญ๐๐ญ๐๐ฉ๐๐ฉ๐ฌ 11 ๐ง๐๐ข๐ก๐
(๐๐๐จ๐ฅ๐๐ง๐ฒ ๐ฌ๐๐๐ฒ ๐ง๐จ๐ซ๐๐ก๐จ๐ง๐๐ง๐ฒ ๐ก๐จ ๐๐๐ญ๐ฒ…)
๐ Rangahy iray 40 taona nanolana zazavavy 11 taona teto Mandritsara ny alin`ny zoma 02 febroary teo. Mpamahana kisoa amina tokantrano nanolanany ankizy ity ny tenany, sendra tsy nisy olon-dehibe tao an-trano no nampihatra filany izy rehefa nahita ankizy vavy ity natory irery tamin`ny efitra fatoriany.
๐ Tazan`ny lehilahy ity izy ka nanatona azy ka notampenany ny vavan`ilay zaza sady norahonany ho faty rehefa vitany ny filany.
๐ Nitaraina ilay ankizy vavy rehefa tonga tao an-trano ny reniny fa voaholana, niantso avy hatrany ny polisy nanao fisafoana tamin`ny faritra misy azy ilay renim-pianakaviana, voasambotra ny mpanolana farany.
๐ Natolotra fampanoavana androany alatsinainy 05 febroary ny nahavanon-doza.
๐ Uni Razafy