Itompokolahy MANAMPY Gaspar | Natao veloma farany

157 0
πŸ“ŒAndroany ny nanaovana veloma farany ny nofo mangatsika ilay Miaramila Kilasy faha-2 MANAMPY Gaspar miaramila lavon’ny balan’ny Dahalo tany amin’ny Fokontany Ambonarabemahasoa kaominin’i Betagnatagna Distrikan’i Maintirano Faritra Melaky.
 
πŸ“ŒTsara ho marina moa dia tamin’ny Zoma faha 2 Volana Febroary teo , Omby Miisa 50 mahery lasan’ireo Dahalo 30 mahery mitondra basy . Vao naheno izany ireo vahoaka dia niantso an’ireo miaramila nanao ny fanarandia , ka nandritran’io fanarandia io no naha voatifitra an’ity Miaramila iray ity.
 
πŸ“ŒRazana moa dia alefa ho any Midongy antsimo.
 
πŸ†” Nangonin’i Antenna

Related Post