CR ANTETEZAMBARO: Nanao fidinana ifotony tamina fokotany enina ny Ben’ny Tanana Randriamihaja Jeannot Désiré

185 0
CR ANTETEZAMBARO: Nanao fidinana ifotony tamina fokotany enina ny Ben’ny Tanana Randriamihaja Jeannot Désiré ny herinandro lasa teo.
 
👉Anisan’ireo Kaominina nahazo tombotsoa tamin’ny fisian’ireo tetik’asam-panjakàna ny Kaominina Antetezambaro,Distrikan’ny Toamasina II.
 
👉Ny herinandro teo no natao ny fizarana kara-tany faobe, ka vahoaka miisa 1276 no nisitraka izany tamina fokotany miisa 6.(Ambodisatrana,Sahanta, Vohitrandiana,Ampasina ,Marotanindrazana,Antanetilava).
Mbola hotohizana any amin’ny fokotany hafa izany hoy ny Ben’ny Tanana ao antoerana.
 
👉Olona miisa 500 kosa no nisitraka karam-panondro,nandritran’ny hetsika fanamboarana karam-panondro faobe tamin’ireo fokotany 6 ireo ihany.
 
👉 Ankoatra izay dia nisy ny fanentanana ny olona hiditra ao anaty lisim-pifidianana.
Io ny asa nanamarika ny fiandohan’ny taona 2024 nataon’ny Ben’ny Tanana.
 
👉 Raha ny lafiny fotodrafitr’asa kosa dia efa kely sisa dia ho vita E.P.P Vohilava, Bazary Ambodiatafana.
Efa vita kosa ny Biraom-pokotany Vohilava izay hotokanana tsy ho ela.
 
🆔 Nangonin’i Claudia Tsitolomy Tena Izy
 

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐅𝐨𝐤𝐨𝐧𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐯𝐲 amin’ny 𝐟𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 11 𝐧𝐢𝐟𝐚𝐫𝐢𝐦𝐛𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐥𝐚̀𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐍32 𝐛𝐢𝐬

Posted by - avril 18, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐅𝐨𝐤𝐨𝐧𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐯𝐲 amin’ny 𝐟𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 11 𝐧𝐢𝐟𝐚𝐫𝐢𝐦𝐛𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐥𝐚̀𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐍32 𝐛𝐢𝐬 (𝑵𝒂𝒏𝒂𝒎𝒑𝒚 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒇𝒐𝒌𝒐𝒏𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏`𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒂𝒕𝒓𝒆𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚…

Fikambanana AFF Boriboritany faha 2 | Nifampiarahaba nahatratra ny taona

Posted by - janvier 28, 2024 0
𝐍𝐈𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐁𝐀 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀, 𝐍𝐈𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐑𝐀𝐑𝐘 𝐒𝐎𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐘 𝐒𝐘 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐎𝐑𝐈𝐁𝐎𝐑𝐈𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐑𝐎𝐀 Ny sabotsy…