Raharaha famonoana an’i RISCO: Nidoboka am-ponja ao Ambalatavoangy ilay Délegué an’ny Kaominina Andasibe,Vavatenina.

296 0
Raha tsiahivina ny zava-nisy,tamin’ny volana oktobra 2023,dia namoy ny ainy i RISCO rehefa nalain’io Delegué io tao amin’ny trano fonenany ka notazoniny tao amin’ny Biraon’ny Kaominina.
 
📌 « Voatonon-tonona ho mpiray tsikombakomba tamina andian-jatovo mpifoka rongony sy mpamaky trano ilay tovolahy antsoina hoe RISCO IO.
 
📌 Raha nahare izany ny Délégué avy tao Andasibe dia tonga tao amin’ny toeram-ponenany naka azy , ka noentin’ny tao amin’ny biraony Kaominina Andasibe Distrikan’i Vavatenina,i RISCO avy eo nahidin’izy ireo tao anaty birao sady nofatorana sy nodarohana.
 
📌 Efa kely aina ilay tovolahy vao navoakany ary naratra sy manga ny vatany ka nitarika tamin’ny fahafatesany. Tsy nisy fanadihadiana natao tamin’i Risco. Nametraka fitoriana ary nanao antso avo tamin’ny Manampahefana ny fianakavian’i RISCO satria nahatsiaro ho niharan’ny tsy rariny,sy tsindry hazolena nataon’io Delegué io.
 
📌 Ny volana novambra 2023 no niakatra Fampanoavana tao amin’ny TPI Fénérive-Est ny raharaha. Olona 4 no niakatra parquet ka 2 MD. Anisany mbola niriaria ilay Delegue Andasibe.
 
👉 Ny Herinandro lasa teo no navoakan’ny Fitsaràna teto Toamasina ny didy fampisamborana,ka notadiavina ilay Delegué. Haingam-piasa ny Zandary ka ny alatsinainy lasa teo izy no voasambotra,ka noentina teny amin’ny Fitsarana omaly talata faha 30 janoary 2024,ary nalefa ao amin’ny Fonjan’Ambalatavoangy,miandry ny Fitsarana azy.
 
👉 Manaraka akaiky ny tohin’ity raharaha ity araka izany ny Mpanara-baovao.
 

Related Post

𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀 -𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎: 𝐓𝐎𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐍𝐉𝐈𝐌𝐀𝐈𝐊𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐈𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀.

Posted by - février 23, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀 -𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎: 𝐓𝐎𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐍𝐉𝐈𝐌𝐀𝐈𝐊𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐈𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀. — Miakatra 150ha ny tanim-bary voatondraka ankehitriny, ny…