FOIBE FITSARANA FIARAKODIA | NAMPIOFANINA IREO MPITONDRA MOTO

239 0
FAMPIANARANA SY FANOFANANA IREO MPITONDRA MOTO NIARAHAN’NY TOTALENERGIES MARKETING MADAGASCAR SY NY FOIBE FITSARANA FIARAKODIA (DGSR).
 
πŸ“Œ Ho fisorohana ireo lozam-pifamoivoizana, indrindra eo @ kodiaran-droa, izay hita fa nisesisesy sy nahafatesana olona maro tato ho ato dia nanatanteraka fampianarana sy fanofanana ireo mpitondra moto ny teo anivon’ny Total Enerigies Marketing Madagascar sy ny Foibe fitsarana fiarakodia androany Talata 30 janoary 2024.
 
πŸ“Œ Niompana manokana momba ny familiana moto sy ny tsy maintsy harahina rehefa mitondra moto ny fiofanana. Nampitaina sy nifampizarana tamin’izany ireo toetra tokony hananana, ny fitondrana aroloha, ny fanaovana ireo akanjo na equipements sy ny maro samihafa takina.
 
πŸ“Œ 400 ireo mpitondra kodiarandroa nanaraka fiofanana sy nomena ireo toro-hay tsara fantatra tamin’izao andiany izao. Nofaranana t@ fizarΓ na aroloha manaraka ny fenitra iraisam-pirenena izany.
 
πŸ“Œ Talohan’izao dia efa nisy ireo efa nisitraka izany fiofanana sy fahazoana aroloha manara-penitra izany, ka izy ireo no hampita sy ho masoivoho eny anivon’ny fiaraha-monina @ fanentanana ireo mpitondra moto hisorohana ireo loza maro samihafa mety hitranga eny an-dalambe.
 
Mbola hitohy manerana ny Nosy izao hetsika izao.
πŸ“· : Dgsr Mada

Related Post

𝑫𝒓 π‘¬π’…π’Žπ’π’π’… (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑡- 𝑻𝑨𝑡𝑰𝑡𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑡𝑨 𝑡𝑢 𝑡𝑨𝑡𝑢𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑡𝑢𝑹𝑰𝑡𝑨 𝑻𝑢𝑩𝑰𝑡’𝑡𝒀 𝒁𝑨𝑡𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨

Posted by - dΓ©cembre 4, 2023 0
𝑫𝒓 π‘¬π’…π’Žπ’π’π’… (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑡- 𝑻𝑨𝑡𝑰𝑡𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑡𝑨 𝑡𝑢 𝑡𝑨𝑡𝑢𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑡𝑢𝑹𝑰𝑡𝑨 𝑻𝑢𝑩𝑰𝑡’𝑡𝒀 𝒁𝑨𝑡𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨 Hoy ny 𝑫𝒓 𝑹𝑨𝑲𝑢𝑻𝑢𝑴𝑨𝑳𝑨𝑳𝑨 π‘¬π’…π’Žπ’π’π’…, Mpikaroka Raokandro Malagasy,…