FOIBE FITSARANA FIARAKODIA | NAMPIOFANINA IREO MPITONDRA MOTO

498 0
FAMPIANARANA SY FANOFANANA IREO MPITONDRA MOTO NIARAHAN’NY TOTALENERGIES MARKETING MADAGASCAR SY NY FOIBE FITSARANA FIARAKODIA (DGSR).
 
πŸ“Œ Ho fisorohana ireo lozam-pifamoivoizana, indrindra eo @ kodiaran-droa, izay hita fa nisesisesy sy nahafatesana olona maro tato ho ato dia nanatanteraka fampianarana sy fanofanana ireo mpitondra moto ny teo anivon’ny Total Enerigies Marketing Madagascar sy ny Foibe fitsarana fiarakodia androany Talata 30 janoary 2024.
 
πŸ“Œ Niompana manokana momba ny familiana moto sy ny tsy maintsy harahina rehefa mitondra moto ny fiofanana. Nampitaina sy nifampizarana tamin’izany ireo toetra tokony hananana, ny fitondrana aroloha, ny fanaovana ireo akanjo na equipements sy ny maro samihafa takina.
 
πŸ“Œ 400 ireo mpitondra kodiarandroa nanaraka fiofanana sy nomena ireo toro-hay tsara fantatra tamin’izao andiany izao. Nofaranana t@ fizarΓ na aroloha manaraka ny fenitra iraisam-pirenena izany.
 
πŸ“Œ Talohan’izao dia efa nisy ireo efa nisitraka izany fiofanana sy fahazoana aroloha manara-penitra izany, ka izy ireo no hampita sy ho masoivoho eny anivon’ny fiaraha-monina @ fanentanana ireo mpitondra moto hisorohana ireo loza maro samihafa mety hitranga eny an-dalambe.
 
Mbola hitohy manerana ny Nosy izao hetsika izao.
πŸ“· : Dgsr Mada

Related Post

𝗠𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔 – π—Ÿπ—˜π—›π—œπ—Ÿπ—”π—›π—¬ 40 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔 π—‘π—”π—‘π—’π—Ÿπ—”π—‘π—” 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔

Posted by - fΓ©vrier 5, 2024 0
𝗠𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔 – π—Ÿπ—˜π—›π—œπ—Ÿπ—”π—›π—¬ 40 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔 π—‘π—”π—‘π—’π—Ÿπ—”π—‘π—” 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔 (𝐍𝐚𝐨π₯𝐚𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐝𝐲 𝐧𝐨𝐫𝐚𝐑𝐨𝐧𝐚𝐧𝐲 𝐑𝐨 𝐟𝐚𝐭𝐲…) πŸ“Œ Rangahy iray 40 taona nanolana…