Zandarimariam-pirenena | Mitaky asa feno ezaka amin’ny tsirairay ny Foibem-pibaikona

240 0
๐Ÿ“Œ Araka ny toromarika azo avy any amin’ny foibem-pibaikona ny zandarimariam-pirenena, manolonana ny politika ankapoben’ny fanjakana, amin’ny lafiny filaminana sy fandriam-pahalemana (tanjona tratrarina manditra ny 100 andro) dia nampivory ny mpiara-miasa rehetra ny Kolonely, Thรฉodule RANAIVOARISON, Komandy ny CIRGN Toamasina, androany alatsinainy maraina faha 29 janoary 2024, nanomboka tamin’ny 08 ora.
 
 Fintin-dresaka :
๐Ÿ”น Mitaky asa feno ezaka amin’ny tsirairay ny Foibem-pibaikona mba hahazoana vokatra tsara, mivaingana ary malaky, hamaliana ny toromariky rehetra avy amin’ny fanjakana mba fanatsarana hatrany ny filaminana sy fandriam-pahalemana ao amin’ny faritra tsirairay avy.
 
๐Ÿ“Œ  Noho izany dia hatomboka androany ny hetsika fampandrian-tany eto Toamasina, ampihenana na anafoanana mihintsy ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana eto Toamasina sy ny manodidina; tsy very anjara ny amin’izany koa ny any amin’ny faritra Alaotra mangoro sy Analanjirofo ka
hatao vaindohan-draharaha ny hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fanjakana eo amin’ny lafin’ny filaminana sy fandriam-pahalemana, amin’ny alalan’ny zandarimariam-pirenena.
 
๐Ÿ“Œ  Midina any an-tsehatra ny rehetra manao izany asa izany. Mitaky fandavan-tena, feno fahavononana an-kitsimpo, am-pahazotoana izany ka nanentanany ny rehetra izy ny amin’izany, indrindra fa ireo manambononahitra sy manamboninahitra lefitra rehetra .
 
๐Ÿ“Œ Nandritra ny fivoriana dia nisy ny fanehoana ireo karazana oronantsary tahiry, tamin’ny alalan’ ny ย ยป vidรฉo projecteur ย ยป ireo karazana hetsika fampandrian-tany maro nandraisan’i Kolonely, Komandy ny fari-piadidin’ny zandarimariam-pirenena Toamasina amin’izao fotoana izao anjara, fony izy mbola niasa tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy iny; izany dia nentina nanehoana ny ย ยป ambiance sur terrain ยซย 
Hita sy tsapa nandritra izany fa dia mitaky fahavononana sy fahasahina ary faharetana ilay asa tina.
โฉ NAMANAO NY ZANDARIMARIA โช
 
๐Ÿ†” Nangonin’Lay Mahintsy

Related Post

๐‘๐€๐‡๐€๐‘๐€๐‡๐€ ๐…๐€๐๐€๐…๐ˆ๐‡๐€๐๐€ ๐Œ๐ˆ๐“๐€๐Œ-๐๐€๐’๐˜ ๐Š๐€ ๐๐€๐‡๐€๐…๐€๐“๐„๐’๐€๐๐€ ๐•๐„๐‡๐ˆ๐•๐€๐•๐˜ ๐ˆ๐‘๐€๐˜ ๐“๐„๐“๐Ž ๐“๐Ž๐‹๐ˆ๐€๐‘๐€

Posted by - mars 29, 2024 0
๐—ข๐—น๐—ผ๐—ป๐—ฎ ๐—ฒ๐—ป๐—ถ๐—ป๐—ฎ(06) ๐—ป๐—ผ ๐˜ƒ๐—ผ๐—ฎ๐˜€๐—ฎ๐—บ๐—ฏ๐—ผ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—ฎ๐—ผ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป’๐—ป๐˜† ๐˜‡๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐—บ๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐—ฎ๐—บ-๐—ฝ๐—ถ๐—ฟ๐—ฒ๐—ป๐—ฒ๐—ป๐—ฎ, ๐˜ƒ๐—ผ๐—ฎ๐—ฟ๐—ผ๐—ต๐—ถ๐—ฟ๐—ผ๐—ต๐˜† ๐˜๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป’๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ณ๐—ถ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—บ๐—ถ๐˜๐—ฎ๐—บ-๐—ฏ๐—ฎ๐˜€๐˜† ๐˜๐—ฎ๐—ผ ๐—ง๐—ผ๐—น๐—ถ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ ๐—ง๐˜€๐—ถ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—น๐—ผ๐—ธ๐—ฒ ๐—ธ๐—ฎ ๐—ป๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ณ๐—ฎ๐˜๐—ฒ๐˜€๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐˜ƒ๐—ฒ๐—ต๐—ถ๐˜ƒ๐—ฎ๐˜ƒ๐˜† ๐—ถ๐—ฟ๐—ฎ๐˜†.   ๐—ง๐—ฎ๐—ผ๐—ฟ๐—ถ๐—ฎ๐—ป’๐—ป๐˜†…