Zandarimariam-pirenena | Mitaky asa feno ezaka amin’ny tsirairay ny Foibem-pibaikona

675 0
๐Ÿ“Œ Araka ny toromarika azo avy any amin’ny foibem-pibaikona ny zandarimariam-pirenena, manolonana ny politika ankapoben’ny fanjakana, amin’ny lafiny filaminana sy fandriam-pahalemana (tanjona tratrarina manditra ny 100 andro) dia nampivory ny mpiara-miasa rehetra ny Kolonely, Thรฉodule RANAIVOARISON, Komandy ny CIRGN Toamasina, androany alatsinainy maraina faha 29 janoary 2024, nanomboka tamin’ny 08 ora.
 
 Fintin-dresaka :
๐Ÿ”น Mitaky asa feno ezaka amin’ny tsirairay ny Foibem-pibaikona mba hahazoana vokatra tsara, mivaingana ary malaky, hamaliana ny toromariky rehetra avy amin’ny fanjakana mba fanatsarana hatrany ny filaminana sy fandriam-pahalemana ao amin’ny faritra tsirairay avy.
 
๐Ÿ“Œ  Noho izany dia hatomboka androany ny hetsika fampandrian-tany eto Toamasina, ampihenana na anafoanana mihintsy ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana eto Toamasina sy ny manodidina; tsy very anjara ny amin’izany koa ny any amin’ny faritra Alaotra mangoro sy Analanjirofo ka
hatao vaindohan-draharaha ny hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fanjakana eo amin’ny lafin’ny filaminana sy fandriam-pahalemana, amin’ny alalan’ny zandarimariam-pirenena.
 
๐Ÿ“Œ  Midina any an-tsehatra ny rehetra manao izany asa izany. Mitaky fandavan-tena, feno fahavononana an-kitsimpo, am-pahazotoana izany ka nanentanany ny rehetra izy ny amin’izany, indrindra fa ireo manambononahitra sy manamboninahitra lefitra rehetra .
 
๐Ÿ“Œ Nandritra ny fivoriana dia nisy ny fanehoana ireo karazana oronantsary tahiry, tamin’ny alalan’ ny ย ยป vidรฉo projecteur ย ยป ireo karazana hetsika fampandrian-tany maro nandraisan’i Kolonely, Komandy ny fari-piadidin’ny zandarimariam-pirenena Toamasina amin’izao fotoana izao anjara, fony izy mbola niasa tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy iny; izany dia nentina nanehoana ny ย ยป ambiance sur terrain ยซย 
Hita sy tsapa nandritra izany fa dia mitaky fahavononana sy fahasahina ary faharetana ilay asa tina.
โฉ NAMANAO NY ZANDARIMARIA โช
 
๐Ÿ†” Nangonin’Lay Mahintsy

Related Post

๐— ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ถ๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ – ๐— ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ณ๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ฟ๐—ผ๐—ฏ๐—ผ๐—ฟ๐—ผ๐—ฏ๐—ผ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐—ป๐—ผ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐—ธ๐—ฎ๐—บ๐—ฏ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป`๐—ป๐˜† ๐— ๐—ฝ๐—ถ๐—ป๐—ผ ๐—ฆ๐—ถ๐—น๐—ฎ๐—บ๐—ผ

Posted by - juillet 20, 2024 0
๐— ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ถ๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ – ๐— ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ณ๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ฟ๐—ผ๐—ฏ๐—ผ๐—ฟ๐—ผ๐—ฏ๐—ผ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐—ป๐—ผ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐—ธ๐—ฎ๐—บ๐—ฏ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป`๐—ป๐˜† ๐— ๐—ฝ๐—ถ๐—ป๐—ผ ๐—ฆ๐—ถ๐—น๐—ฎ๐—บ๐—ผ (๐–ญ๐—‚๐–ฟ๐—‚๐–ฝ๐—’ ๐—‚๐—“๐–บ๐—’ ๐—๐—ˆ ๐–ฟ๐—‚๐—…๐—ˆ๐—๐–บ ๐—‚๐—“๐—’ ๐—‚๐—‹๐–พ๐—ˆ, ๐—๐—ˆ๐–บ๐–ฟ๐—‚๐–ฝ๐—’ ๐—‚ ๐– ๐—…๐—’)…