Toeram-pambolena zanakazo 1 hektara no nanokafana ny taom-bolen-kazo 2024 ato amin’ny Disitrikan’i Boriziny omaly zoma 26 janoary. Miisa 1 500 ireo zanakazo novolena tao Anjiamanera kaominina Port-Bergé II.
Nandray anjara tamin’izany avokoa ny sampan-draharaha sy irro tompon’andraikitra isany notarihan’ny Lehiben’ny Disitrika Todivelo Cyrille. Aorian’izao dia samy hanao hetsika avokoa ny sampan-draharaha, ny fikambanana,.. sns
Nanome toky ny Ben’ny tanàna Port-Bergé Il fa hiantoka ny fikarakarana an’ireo hazo novolena ireo mba tsy fandaniam-potoana iny omaly iny. Ny teo anivon’ny fitantanana ny ala rahateo nanambara fa velona soa aman-tsara ny 90%n’ny zanakazo novolena tamin’ny taona 2023.
📌Resaka fandriam-pahalemana ny resaka eto: Hiaraka hifanome tanana ireo Lehiben’ny fokotany ao Tanamborozano, sy ny Polisim-pirenena ,ary ny Tale iraisam-paritry…
Ho fanohizana hatrany ny fiarovana ny Tontolo iainana, dia nanatanteraka fambolen-kazo teny Ambatofotsy ny FSFLM Tanjombato, 272eme AVANA ARARATA Androany,…