Toamasina: Nahatratra Mpangalatra Tuc-tuc sy mpampiasa CIN Sandoka ny Zandary

297 0
 
Ny Alatsinainy 22 Janoary 2024 no naharay antso avy amin’olona tsara sitra-po ny Zandary a fa misy Tuc2 iray navealan’olona roalahy tsy fantatra ao Maromagniry – Fkt TANANDAVA – Kamoninina Ambanivohitr’i Toamasina .
 
👉Efa nanomboka maraina be tokony tamin’ny 05 Ora sy sasany no efa Téo Io tuc-tuc io ary efa tokony tamin’ny ray ora antoandro dia tsy nety niverina ireo roalahy nilaza fa hanamboatra kodiarana,raha ny filazan’ny olona teo amin’ny manodidina.
 
👉Nidina ifotony avy hatrany ireo Zandary avy ao amin’ny PA Tanandava notarihin’ny Chef de poste ,GPHC Rakotoniaina Jean Baptiste ary nijery Ilay Tuc2.
 
👉Rehefa nojerena ilay tuc_tuc ka nampitahaina tamin’ny sarin’ilay tuc-tuc nisy nandrava tao Mangarano, tamin’ny 04 Ora maraina tamin’io andro io ihany ,izay niely tamin’ny Facebook ,dia hita fa mifanaraka amin’ilay tuc-tuc ,saingy efa novaina kosa ny laharany ary noesorina daholo ireo pitsopitsony mampiavaka Ilay tuc-tuc.
 
👉Rehefa notohizana ny fanadihadiana dia tratra ny iray tamin’ireo olona roa lahy ireo.
Fantatra fa sady nangalatra Tuc-tuc izy ,no mbola nampiasa karam-panondro sandoka.Mbola mitohy arak’izany ny fanadihadiana sy fikarohana ny namany. Efa naverina amin’ny tompony kosa ilay tuc-tuc.
 
 » Manentana izay tsara-sitrapo mba hanome loharanom-baovao,raha mahita tranga mampiahiahy,ahafahana misambotra ireo olond-ratsy. Entanina ihany kosa ny tsirairay mba hanao declaration de perte avy hatrany raha sanatria ka very karam-panondro,satria karam-panondron’olona very no nalain’ilay olond-ratsy nampiasainy ,fa sary fotsiny no novainy.
 
Mila mailo hatrany ny rehetra »hoy ny Chef d’Escadron Ramanantsefera Arthur,Kaomandin’ny Vondrotobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena eto Toamasina.
 
🆔 Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post