Fokotany Tanamborozano Plle 22/22 | nalana ireo fako manatsetsina ny lakan-drano

429 0
 
 » Ny fanana toe-tsaina tia mandray andraikitra ,dia mamaha olana maro eo anivon’ny fiaraha-monina. »
Hita taratra izany tamin’ny asa tagnamaro izay nataon’ireo vahoaka tao amin’ny fokotany voalaza etsy ambony izay iadidian’Atoa Herilala Randrianasolo.
 
Manoloana ny fiakaran’ny rano vokatry ny rotsak’orana dia toerana maro no dobo-drano satria tsetsina nohon’ny fako,ny lakandrano. Nandray andraikitra izy ireo ka nanala ny fako tao mba hikoriana tsara ny rano. Natomboka androany ny asa, ka maro ny nandray anjara. Tonga tao antoerana ny Ben’ny Tanana Rakotonirina NANTENAINA,nanome fanampiana ho an’ireo mandray anjara amin’ny fanadiovana ny lakandrano io.
 
Marihina moa fa haharitra efatr’andro ny asa.

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐕𝐨𝐯𝐨-𝐛𝐨𝐥𝐚𝐦𝐞𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐲 𝐧𝐞𝐧𝐭𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐢𝐬𝐨𝐥𝐨𝐤𝐲 𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚

Posted by - mars 11, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐕𝐨𝐯𝐨-𝐛𝐨𝐥𝐚𝐦𝐞𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐲 𝐧𝐞𝐧𝐭𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐢𝐬𝐨𝐥𝐨𝐤𝐲 𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 (Tra-tehaky ny polisy lehilahy iray ity noho ny fanomezam-baovao ara-potoana) Rangahy…