MIANDRIVAZO NANADIO IREO TATATRA EO AN-TOERANA NY STAFF NY DÉPUTÉ NOTRONON’NY ZANDARY SY NY LEBEHIN’NY DISTRIKA

310 0

📌 Ny sabotsy faha 20 Janoary dia nanatan-teraka fanadiovana ireo tatatra eo amin’ny Kaominina Ambonivohitry Miandrivazo ny STAFF ny Député Sandy izay notarihin’ny Ramatoa Solombavambahoakan’ny Madagascar izay voafidy tao Miandrivazo ary notronon’ny Lebehin’ny Distrika sy ny avy ao amin’ny zandary,

📌 Ny fampandrosoana sy ny fitsonjovana ny vahoaka hoy ramatoa solombavambahoaka dia tsy hiandrasana ny tsy afaka ny teny manaitra fa ny atao no mahasarika ka izay no natonga azy nitarika ireo staff-ny hietsika nanao izao fanadiovana izao, nodiovina ireo tatatra fivoahan’ny rano mba hialana amin’ny fiangonan’ny rano vao avy ny orana ka ireo tatatra manodidina ny CNAPS sy ny travaux ary ny akaikin’ny FJKM no nodiovina sy nosokafana satria ireo faritra ireo dia isany feno rano miandrona vao tonga ny orana ka mampijaly ny mponina sy ireo mpampiasa iny lalana iny ,

📌 Izao no hatao hoy hatrany ramatoa solombavambahoaka dia hisorohana ny loza satria maro ny vokadratsin’ny loto sy ny rano miandrona ary entina hanetsehana ny rehetra handray andraikitra amin’ny soa iombonana .

🆔 Nangonin’i Ra Pa – Menabe

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗶𝘁𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗮̀𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗶𝘃𝗲𝘇𝗶𝘃𝗲𝘇𝗲𝗻`𝗻𝘆 𝗱𝗮𝗵𝗼𝗹𝗼𝗯𝗲

Posted by - juillet 16, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗶𝘁𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗮̀𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗶𝘃𝗲𝘇𝗶𝘃𝗲𝘇𝗲𝗻`𝗻𝘆 𝗱𝗮𝗵𝗼𝗹𝗼𝗯𝗲 (𝖬𝖺𝗇𝖺𝗈 𝖾𝗓𝖺𝗄𝖺 𝗇𝗒 𝗄𝖺𝗈𝗆𝗂𝗇𝗂𝗇𝖺 𝗆𝖺𝗇𝖺𝗆𝖻𝗈𝖺𝗍𝗋𝖺 𝗅𝖺𝗅𝖺𝗇𝖺) ✦ Tsy miraviravy tanana ny ben`ny…