MIANDRIVAZO NANADIO IREO TATATRA EO AN-TOERANA NY STAFF NY DÉPUTÉ NOTRONON’NY ZANDARY SY NY LEBEHIN’NY DISTRIKA

552 0

📌 Ny sabotsy faha 20 Janoary dia nanatan-teraka fanadiovana ireo tatatra eo amin’ny Kaominina Ambonivohitry Miandrivazo ny STAFF ny Député Sandy izay notarihin’ny Ramatoa Solombavambahoakan’ny Madagascar izay voafidy tao Miandrivazo ary notronon’ny Lebehin’ny Distrika sy ny avy ao amin’ny zandary,

📌 Ny fampandrosoana sy ny fitsonjovana ny vahoaka hoy ramatoa solombavambahoaka dia tsy hiandrasana ny tsy afaka ny teny manaitra fa ny atao no mahasarika ka izay no natonga azy nitarika ireo staff-ny hietsika nanao izao fanadiovana izao, nodiovina ireo tatatra fivoahan’ny rano mba hialana amin’ny fiangonan’ny rano vao avy ny orana ka ireo tatatra manodidina ny CNAPS sy ny travaux ary ny akaikin’ny FJKM no nodiovina sy nosokafana satria ireo faritra ireo dia isany feno rano miandrona vao tonga ny orana ka mampijaly ny mponina sy ireo mpampiasa iny lalana iny ,

📌 Izao no hatao hoy hatrany ramatoa solombavambahoaka dia hisorohana ny loza satria maro ny vokadratsin’ny loto sy ny rano miandrona ary entina hanetsehana ny rehetra handray andraikitra amin’ny soa iombonana .

🆔 Nangonin’i Ra Pa – Menabe

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 3 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗯𝗮𝗸𝗮𝗹𝗮𝗼𝗿𝗲𝗮

Posted by - juillet 22, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 3 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗯𝗮𝗸𝗮𝗹𝗮𝗼𝗿𝗲𝗮 (𝑺𝒂𝒎𝒚 𝒄𝒂𝒏𝒅𝒊𝒅𝒂𝒕 𝒍𝒊𝒃𝒓𝒆, 𝒏𝒂𝒌𝒂𝒏`𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒔𝒂 𝒔𝒆𝒓𝒗𝒊𝒄𝒆 𝒅`𝒆𝒙𝒂𝒎𝒆𝒏 𝒗𝒐𝒍𝒂 𝒎𝒃𝒂 𝒉𝒐 𝒕𝒂𝒇𝒊𝒅𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒄𝒂𝒏𝒅𝒊𝒅𝒂𝒕…