FANOMEZAM-BONINAHITRA SY FANAOVANA VELOMA FARANY AN’I RADONA

26 0

πŸ“Œ Natao teto amin’ny Fiangonana EKAR SAINTE THERESE DE L’ENFANT JESUS ISOTRY no  nanotrona farany an’i Radona sy ny fianakaviana.

πŸ“Œ Tonga nanatrika sy nankahery ihany koa ny avy ao amin’ny Ministeran ny Kolontsaina sy ny Serasera, izay notarih’Andriamatoa Minisitra Augustin ANDRIAMANANORO, ary notronin’ireo Mpihira Gasy maro, nahitana ireo vao misandratra, teo ihany koa ireo Mpihira madinika sy efa manana ny lazany tahaka ny Tarika Rossy, sns …

πŸ“Œ Rehefa vita ny fotom-pivavahana ho fangatahana ho fialan-tsasatra ny fanahiny, dia niroso tamin’ny mari-boninahitra hoan’ny RAFALISON Joachin ho eo amin’ny laharana Β« Chevalier de l’ordre Malagasy Β» ny fandaharam-potoana, ka ny Minisitra Augustin ANDRIAMANANORO, izay misolon-tena ny Filoham-pirenena no nanolotra an’izany.

πŸ“Œ Rehefa izany, dia nirona nanatitra ny vatana mangatsiak’ity Kitan’ny Hiragasy ity hanatitra azy any Mandrosoa Morarano Antongona ny rehetra.

πŸ“Œ Tiana ny mampahafantatra fa i Radona na i RAFALISON Joachin dia anisan’ny angady nanana sy vy nahitana ny nahatadfiditra ny Hiragasy ho Harem-bakoka iraisam-pirenena, arak any filazan’i Rossy teo am-pandraisana ny fitenenana nataony.

πŸ’—πŸ’—Mandria am-piadanana.πŸ’—πŸ’—

πŸ†” Nangonin’Lay Mahintsy

Related Post