MASOIVOHON’NY FIRENENA SINOA ETO MADAGASIKARA | NANOLOTRA FANAMPIANA TETSY AMIN’NY BNGRC

215 0
📌 Tontosa androany 10 Janoary 2023 tetsy amin’ny foibe misy ny BNGRC ny lanonana Ofisialy nanoloran’ny Masoivohon’ny Sina entim-bahoaka miasa sy monina eto Madagasikara hoan’ny governemanta malagasy amin’ny alalan’ny BNGRC, fanampiana ara-tsakafo ho an’ireo tradoza vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ALVARO.
 
📌 Nohamafisin’ity Masoivohon’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina eto Madagasikara ity ny fifamatoran’ny firahalahiana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta tamin’ny alalan’ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireto fanampiana ara-tsakafo ireto ho an’ny (BNGRC) eto Madagasikara.
 
📌 Fantatra fa vary milanja 23 taonina, tsaramaso fotsy 4 taonina, ary menaka fahandro 920 litatra no natolotra ho fanohanana ireo olona tradoza sy tratry ny rivodoza farany teo.
Fa ankoatr’izay, dia nisy ihany koa fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta tamin’izany fanomezana izany sy ho tohin’ny fiaraha-miasa ao afara.
 
📌 Tiana ny manamarika, fa ny Sina, nanap tan-tsoroka hatrany hoan’ni Madagasikara nandritr’ireny loza ara-boajanahy nandalo sy niseho teto amin’ny firenena ireny.
Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 – 𝐍𝐀𝐍𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐑𝐀𝐊𝐎𝐓𝐎 𝐉𝐄𝐀𝐍 𝐑𝐄𝐍𝐄 𝐇𝐎 𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀 𝐒𝐎𝐋𝐎𝐌𝐁𝐀𝐕𝐀𝐌𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐒𝐎𝐉𝐀𝐁𝐄

Posted by - mars 5, 2024 0
Nifamotoana tao an-tranompokonolona Mandritsara ireo Sojabe maherin`ny 500 avy amin`ny kominina 29 mandrafitra distrikan`i Mandritsara. Nifampiarahaba tratry ny taona 2024,…

𝐄𝐅𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍-𝐉𝐈𝐑𝐎 𝐄𝐓𝐎 𝐒𝐀𝐁𝐎𝐓𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀

Posted by - décembre 8, 2023 0
𝐄𝐅𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍-𝐉𝐈𝐑𝐎 𝐄𝐓𝐎 𝐒𝐀𝐁𝐎𝐓𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀, 𝐌𝐀𝐑𝐎 𝐍𝐎 𝐁𝐎𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐎 𝐊𝐀 𝐀𝐇𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀 𝐇𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀   Mandry andriran’antsy…