Tontosa androany 10 Janoary 2023 tetsy amin’ny foibe misy ny BNGRC ny lanonana Ofisialy nanoloran’ny Masoivohon’ny Sina entim-bahoaka miasa sy monina eto Madagasikara hoan’ny governemanta malagasy amin’ny alalan’ny BNGRC, fanampiana ara-tsakafo ho an’ireo tradoza vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ALVARO.
Nohamafisin’ity Masoivohon’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina eto Madagasikara ity ny fifamatoran’ny firahalahiana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta tamin’ny alalan’ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireto fanampiana ara-tsakafo ireto ho an’ny (BNGRC) eto Madagasikara.
Fantatra fa vary milanja 23 taonina, tsaramaso fotsy 4 taonina, ary menaka fahandro 920 litatra no natolotra ho fanohanana ireo olona tradoza sy tratry ny rivodoza farany teo.
Fa ankoatr’izay, dia nisy ihany koa fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta tamin’izany fanomezana izany sy ho tohin’ny fiaraha-miasa ao afara.
Tiana ny manamarika, fa ny Sina, nanap tan-tsoroka hatrany hoan’ni Madagasikara nandritr’ireny loza ara-boajanahy nandalo sy niseho teto amin’ny firenena ireny.
Anjakan’ny hala-botry ny fokontany sasany ao amin’ny Kaominina renivohitra Manjakandriana ankehitriny, lasibatra tamin’izany ny tokantrano iray tao Mahatafandry ny 21…
Mba tsy ho tara amin’ny fanatontoloana, ka hampahomby ny fifandraisaina, indreindra manoloana ny tsy fandriam-pahalemana izay zary tandra vadik’hoditra amin’ny…