Mikija mafy ny orana tato ho ato tao amin’ny distrika an’i Ikongo, ary niteraka fihotsahan’ny tany izany ny 7 janoary hariva teo. Fianakaviana iray monina ao amin’ny Fokontany Ambatoharanana kaominina Ambanivohitra ikongo no nianjeran’ny tany ka maty tamin’izany ilay renim-pianakaviana sy ny zanany 3, ilay raim-pianakaviana kosa naratra mafy.
Ankoatra ireto fianakaviana ireto dia nisy olona iray koa namoy ny aina tao amin’ny fokontany Ambolomadinika kaominina Ambanivohitra Ambolomadinika distrika Ikongo.
Nisy ihany koa olona iray maty nentin’ny rano tao Mangarivotra kaominina ary distrika ikongo .
Nitondra fahasimbana tetezana iray sy làlana maro tao amin’ny distrika ity ora-mikija ity.
Tokantrano miisa 5 izay ahitana olona 21 no tsy manan-kialofana ankehitriny ary efa napetraka ao amin’ny Centre Culturel Ikongo.
Tokony ho mailo hatrany isika amin’izao fotoam-pahavaratra izao indrindra fa ireo fianakaviana mipetraka amin’ny toerana iva sy manana trano atahorana hirodana .
Nangonin’i MalalaTsa