ZANDARIMARIA TOAMASINA : ASA SOA NATAON’NY ZANDARY VEHIVAVY

355 0

Ny soa atao levenam-bola; Fitsimbinana amin’ny fo feno fitiavana dia avy amin’Ilay Nahary.

Tonga nitsidika sy nanolotra fanomezana ho an’i Christina, izay zazavavy kely 2 taona niharan’ny fanolanana, ireo zandary vehivavy miasa amin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimaria ao Toamasina, notarihin’i Komandà ANDRIANARY Yvette, komandin’ny Vondro-tobim-paritra seranan-tsambo Toamasina sy i Kapiteny MANGAZAFY, ny 05 Janoary 2024, teny amin’ny Hopitalibe Analakinina.

I Christina, raha tsiahivina, dia ilay zazavavy vao 02 taona monja, niharan’ny fanolanana tany Antsampanana Brickaville ka ny rahalahin-dRainy antsoina hoe Tigana, 40 taona ihany no nahavita izany fihetsika mamoafady izany, ary efa nandraisana fepetra ara-pitsaràna.

Nandritra izany dia nitondra izay voatsirambin’ny tanana ho fanampiana azy sy ny renibeny ireo zandary mba ho fitsaboana. Lelavola mitentina 400.000 ariary sy kilalao ho an’i Christina kely no natolotra.
Isaorana an’Andriamanitra fa efa mihatsara ny fahasalamany. Manainga izay manam-pitiavana sy akaiky an’i Toamasina mba hamangy azy eny amin’ny Hopitaly.

#Namanao_ny_Zandarimaria

InfoCom Seg

Related Post

𝐅𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐓𝐌𝐌 𝟓𝟎𝟏 | 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐬𝐚 𝐬𝐨𝐚 𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐂𝐒𝐁𝟐 𝐓𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐚𝐨 𝐕𝐞𝐫𝐫𝐞𝐫𝐢𝐞

Posted by - juillet 13, 2024 0
𝐅𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐓𝐌𝐌 𝟓𝟎𝟏 | 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐬𝐚 𝐬𝐨𝐚 𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐂𝐒𝐁𝟐 𝐓𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐚𝐨 𝐕𝐞𝐫𝐫𝐞𝐫𝐢𝐞 —- Toamasina: Nahazo tombony ny vahoaka ao Tanambao…

𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐒𝐀𝐌𝐘 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐌𝐏𝐄𝐑𝐈𝐍𝐀𝐒𝐀

Posted by - octobre 31, 2024 0
𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐒𝐀𝐌𝐘 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐌𝐏𝐄𝐑𝐈𝐍𝐀𝐒𝐀 (𝒁𝒂𝒏𝒅𝒂𝒓𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂-𝒅𝒓𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒊𝒓𝒂𝒚 𝒏𝒊𝒕𝒊𝒇𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒍𝒆𝒉𝒊𝒃𝒆𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏`𝒏𝒚 𝑪𝑺𝑨𝑶 𝑩𝒆𝒓𝒐𝒓𝒐𝒉𝒂 𝒏𝒊𝒕𝒊𝒇𝒊-𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒚 𝒂𝒗𝒚 𝒆𝒐) ✦Nahoraka tato…