Rakotomalala Rossignol | Nosamborin’ny polisy roa lahy iraka avy ao amin’ny cybercriminalité

228 0
Nosamborin’ny polisy roa lahy iraka avy ao amin’ny sampana misahana ny « cybercriminalité » Anosy Antananarivo ary noentina niakatra any Antananarivo, tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro, ny alakamisy 28 desambra 2023, Rakotomalala Rossignol, mpanao gazety ao amin’ny Radio Zanagasy eto Manakara.
 
Antony nisamborana azy, voasoratra ao anatin’ny taratasy noentin’ireto polisy ireto : voalaza ho 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗹𝗮𝗺-𝗯𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮 𝘀𝘆 𝗳𝗶𝗱𝗶𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗼𝗸𝗼𝘀𝗼𝗸𝗼 𝗮𝗿𝘆 𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗱𝗼𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗸𝗮𝗼𝗻𝘁𝘆 « 𝗳𝗮𝗰𝗲𝗯𝗼𝗼𝗸 »-𝗻’𝗻𝘆 𝘀𝗼𝗹𝗼𝗺𝗯𝗮𝘃𝗮𝗺𝗯𝗮𝗵𝗼𝗮𝗸𝗮𝗻’𝗶 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 𝘃𝗼𝗮𝗳𝗶𝗱𝘆 𝗲𝘁𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗱𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗶 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮𝗿𝗮. 𝗧𝗼𝗵𝗶𝗻’𝗶𝗹𝗮𝘆 𝗳𝗶𝗿𝗮𝗿𝗶𝗮𝗻𝘁𝘀𝗼𝗮, 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗡𝗼𝗲𝗹𝘆 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗻𝗮𝗵𝗶𝘁𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗺𝗼𝗮𝗳𝗮𝗱𝘆, 𝗻𝗶𝘃𝗼𝗮𝗸𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗸𝗮𝗼𝗻𝘁𝘆 « 𝗳𝗮𝗰𝗲𝗯𝗼𝗼𝗸 »-𝗻𝘆, 𝗻𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗿𝗲𝘀𝗮𝗯𝗲 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝘆 𝘁𝗮𝗺𝗯𝗮𝗷𝗼𝘁𝗿𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗲𝗿𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮.
 
➖ Manoloana izao raharaha izao, manaja ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara. Manatanteraka ny fomba fiasa MAMAFA : MAnadihady MAnamarina FAndraisana andraikitra. Manipika mazava araka izany fa manaraka akaiky izao raharaha izao ary vonona handray ny andraikitra manandrify, faritan’ny lalàna, raha toa ka misy antsojay politika ao ambadik’izao tranga izao.
➖ Raha tsiahivina, naharay antso ny mpanao gazety maromaro teto Manakara, fa hisy ny tafa amin’ny mpanao gazety momba ilay « publication » tamin’ny « facebook », tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany antoandro ny alakamisy 28 desambra 2023. Rehefa vory teo amin’ny toerana voalaza fa hanaovana ny fihaonana, ireto farany no tonga tampoka ny polisy mpanao fanadihadiana nisambotra an-dRakotomalala Rossignol.
➖ Niezaka nifampiresaka sy nitady vahaolana ny mpanao gazety, notarihin’ny Birao OJM Fitovinagny, ny hamitana ny fanadihadiana eto an-toerana ihany. Tsy nety ireo iraka, nohon’ny baiko ka noentina niakatra hatao famotorana any amin’ny biraon’ny polisy Anosy misahana ny « cybercriminalité » ihany Rakotomalala Rossignol.
Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Fampitam-baovao : Birao OJM Fitovinagny.

Related Post

𝐅𝐎𝐑𝐓-𝐃𝐀𝐔𝐏𝐇𝐈𝐍| 𝐅𝐈𝐅𝐀𝐌𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀-𝐊𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐓𝐎𝐋𝐀𝐆𝐍𝐀𝐑𝐎

Posted by - février 2, 2025 0
Tao anatin’ny firahalahiana sy mangarahara ny fifamindram-pitantanana teo amin’Andriamatoa; RANDRIANIAINA Georges Mamy Ben’ny tanana teo aloha sy Andry ANDRIAMAHASORO Ben’ny…

𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎

Posted by - janvier 21, 2025 0
𝐎𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 « 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 » 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐘 𝑨𝑴𝑩𝑨𝑻𝑶𝑳𝑨𝑴𝑷𝒀 21-24…