Novakian’ny jiolahy ny biraon’ny fitsarana ao Toamasina

172 0

Ny alin’ny talata lasa teo dia novakian’ny jiolahy ny biraon’ny fitsarana ao Toamasina .

raha ny fanambaran’ireo loharanom-baovao avy any an-toerana dia tsy naka na inona na inona ireo jiolahy raha ny fahitana ireo entana tsy nisy niala na nihetsika tamin’ny toerany.

Tombanan’ireo mpanao fanadihadiana arak’izany ho fikasana hibata ny vatavy mihidy izay fitoeram-bola na « coffre » izay sady fitahirizana ireo basy poleta tratra tany amin’ireo jiolahy ka giazan’ny fitsarana no mety ho anton’ny namakian’ireo tsy valahara birao.

Nivoitra tao anaty famotorana savaranonando fa mety ho olona efa mahay tsara ny momba ilay birao ihany no nahavanon-doza.

arahintsika eto ihany ny tohiny …

Related Post

𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐀𝐌𝐎𝐈𝐕𝐎𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟕 – 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘

Posted by - janvier 14, 2024 0
𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐀𝐌𝐎𝐈𝐕𝐎𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟕 – 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘 — Taxi brousse mpitatitra olona avy any Ambositra hankany Fianarantsoa io atoandro…