KAOMININA ANOSY AVARATRA

270 0
πŸ“Œ 20 Kilaometara miala an’Antananarivo Renivohitra, manaraka ny Lalam-pirenena Faha3 iny no ahitana ny Kaominina Anosy Avaratra, ao anatin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano, Faritra Analamanga.
Kaominina izay azo lazaina fa mbola zandriny ihany, satria ny taona 2015 no nosarahina tamin’ny Kaominina Sabotsy Namehana.
Ahitana fokontany 5, ary misy mponina 16 000 Isa eo ho arakan’ny fanisana natao farany teo.
 
πŸ“Œ Na dia mbola Kaominina Zandriny arak any filazana azy tery ampiandohana aza izy, dia azo lazaina fa sonjo mihoatra ankondro ihany, ahitana foto-drafitr’asa maro ato anatin’ity Kaominina ity, toy ny Hopitaly, Paositry ny PΓ΄lisy, Sekoly sy ny maro tsy voatan’isa. Araky ny fanazavana nomen’Andriamatoa Ben’ny Tanana, dia mbola maro ny ezaka ho hatao ary betsaka ny tanjona ho tratrarina amin’io taona vaovao miditra io, fanamby lehibe hoazy sy ireo mpiara-miasa aminy izany.
 
 

ππŽπ“πŽπ‹πŽπ‘π€ππ€ π•πŽπƒπ˜ π€πŠπŽπ‡πŽ πˆπ‘π„πŽ π™πŽπŠπˆπŽπ‹πŽππ€
 
πŸ“Œ Ankatok’izao asaramanitra izao Γ ry, dia tsy nanadino ny fiaraha-mifaly amin’ireo Zokiolona eto an-tanana Andriamatoa Ben’ny Tanana, ka Zokiolona miisa 200 isa, miparitana ao anatin’ny Fokontany 5 no nozaraina fanampiana sy fanomezana hiaraha-mifaly.
 
πŸ“Œ Tsara ny mahafantatra fa ity fanomezana ity, dia tan-tsoroka avy amin’ny Fikambanana tsy miankina iray antsoina hoe DIRECT AID, Fikambanana izay mijoro sy miasa eto amin’ny Kaominina.
 
πŸ“Œ Fisaorana omban-tsodrano, ary fifaliana no nasetrin’ireo Ray aman-dreny an’izany fihetsika maha te-hidera nasehon’ny fiadidian’ny tanana sy ireo mpiara-miasa aminy izany, indrindra fa hoan’ilay Fikambanana Direct Aid.
….
πŸ“Œ Tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon’Andriamatoa Ben’ny Tanana, dia nirary soa sahady ny vahoak’Anosy Avaratra izy ho tratry ny taona vaovao, ary mirary fety sambatra feno fahombiazana hoan’ny olona tsirairay.

Nangonin’ Ilay Mahintsy

 

Related Post