ANTALAHA | AMBODIVOANGY COMMUNE RURALE ANTSAHANORO

286 0
Ny 23 Desambra 2023 lasa teo no notakana tamim-pomba ofisialyny tranonm-panjakana eto amin’ny Fokontany Ambodivoahangy, olo-manankaja maro, sivily sy miaramila, izay notarihin’Andriamatoa Ben’ny Tanana Andriamatoa Harivelo Thierry Injafy no tonga nanotrona sy nanome vonihaitra izany fanokanana ofisialy izany.
 
Tiana no mampahafantara fa ity fotodrafitrasa ity dia namboarin’ny Ben’ny Tanana Harivelo Thierry Injafy no angady nanana sy vy nahitana azy.
 
Nanditra ny lanonana fanokanana, dia nohatitrateriny ny fahavononany hiasa, ary mbola hiasa hatrany hoan’ireo vahoaka nametraka fahatokisana taminy.
 
Tonga nanafana ny lanonana solontena artiste zanak’Antalaha ( Chriscilo Øfficiel , #Germain , Ruchna Amsa )
Ankafaliana tanteraka ny nandraisan’ny avhoaka izao asa mivainagana izao, ka ny firariantsoa sy fisaorana feno fankasitrahana no natolotr’izy ireo ny Ben’ny Tanana,  « Tohizo fa tsara ny hezaka vita ».
Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

DISITRIKA NY BENENITRA

Posted by - janvier 18, 2025 0
Tontosa androany ny Fambolen-kazo ato Faritra Atsimo Andrefana ka nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany teto amin’ny Disitrika ny Benenitra .…

TOBY KRISTY MANAFAKA IBORA | MPIOMANA 71 MIANADAHY NO VOATOKANA HO MPIANDRY TAMIN’NY TAONA ITY.

Posted by - août 14, 2024 0
𝐁𝐄𝐓𝐒𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐎𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐄𝐃𝐑𝐀𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐁𝐘 𝐊𝐑𝐈𝐒𝐓𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐅𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐁𝐎𝐑𝐀 𝐊𝐀 𝐈𝐋𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐎𝐌𝐄𝐙𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐒𝐈𝐑𝐀𝐈𝐑𝐀𝐘. 𝐌𝐏𝐈𝐎𝐌𝐀𝐍𝐀 𝟕𝟏 𝐌𝐈𝐀𝐍𝐀𝐃𝐀𝐇𝐘 𝐍𝐎 𝐕𝐎𝐀𝐓𝐎𝐊𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎…