POLISIM-PIRENENA SOAVINANDRIANA ITASY: NAHAZO MOTOCROSS MIISA 4 HANAMORANA NY ASA
Tao anatin’ny efa-taona izay dia tsapa azo tsapain-tanana ary betsaka ny vokatra sy ny ezaka vita mahakasika ny fandriampalemana tao amin’ny faritry Soavinandriana ITASY raha hoPolisim-pirenena Soavinandriana Itasysysysy manokana.
Tombony lehibe sy goavana ny fananan’ny POLISIM-PIRENENA ao an-toerana ireto motocross miisa 4 ireto satria hanamora ny asan’izy ireo amin’ny toerana saro-dalana izany;fa indrindra ahafahana manampy ireo zandary sy ny tafika hatrany ambanivohitra lavitra any ankoatra ny asa sahanin’izy ireo ao andrenivohitr’itasy.
Ankoatran’ny polisim-pirenena SOAVINANDRIANA ITASY dia nisitraka izay fanomezana motocross izay ihany koa ny Zandarimariam-pirenena izay nahazo 4 ; raha
toa ka miisa 3 ny an’ny Tafika Malagasy .
Fampitaovana izay tafiditra anaty fandaharanasan’ny CIAD.Ary ny Solombavambahoakan’i SOAVINANDRIANA sy ny lehiben’ny distrika tao an-toerana no nanolotra ireo moto ireo.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny kaomandin’ny Groupement de la gendarmerie Itasy, ny kaomandin’ny Compagnie, ny jeneraly Rafalimanana LΓ©onard Gabriel, kaomandin’ny ZDS Tsiafajavona, ny lehiben’ny CAPSAT sy ny Chef CAB eo anivon’ny Fitaleovam-paritry ny ny Filaminam-bahoaka (DRSP) Itasy, nisolotena an’ny Tale.
Mahazo mahatoky araka izany ny mponin’i SOAVINANDRIANA ITASY fa vao Maika ihatsara hatrany ny fandriampalemana ao an-toerana.
Nangonin’i Malala Tsa