Faritra SAVA | Zarain’Andriamatoa Governora Finday ny Filoham-pokontany sy ny lefiny

317 0
Mba tsy ho tara amin’ny fanatontoloana, ka hampahomby ny fifandraisaina, indreindra manoloana ny tsy fandriam-pahalemana izay zary tandra vadik’hoditra amin’ny fiainana ankehitriny; nohon’ny hafitsoky ny Malaso sy ireo tontakely andaniny.
 
Fa ho fanampiana an’ireo kitro ifaharan’ny fampandrasoana, miasa sy miara-miaina amintsika eny anivon’ny fiaraha-monina eny, dia filoham-pokontany sy ny lefiny miisa 830  ao amin’ny faritra SAVA no notoloran’Andriamatoa Teddy Gervais Seramila izay  Governora Faritra SAVA, finday tsirairay avy.
 
Hoy indrindra izy raha nandray fitenenana fohy,mahakasika ny fizarana ireto fitaovana ireto : 
Ho fanatsarana ny asa hatrany no tanjona… ary ihany koa ho fanomezana sy ho fanamorana ny fandraisan’izy ireo ny tambin-karamany, ary natao indrindra izao entina hamporisihana azy ireo hanao ny asany ho tsaratsara kokoa !…
Fantatra fa  Alarobia 27 Desambra 2023  ho avy izao no hanomboka ny fizarana.
Nangonin’Lay Mahintsy
 

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗻𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗶𝗻𝗼 𝗦𝗶𝗹𝗮𝗺𝗼

Posted by - juillet 20, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗻𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗶𝗻𝗼 𝗦𝗶𝗹𝗮𝗺𝗼 (𝖭𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗓𝖺𝗒 𝗁𝗈 𝖿𝗂𝗅𝗈𝗁𝖺 𝗂𝗓𝗒 𝗂𝗋𝖾𝗈, 𝗏𝗈𝖺𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂 𝖠𝗅𝗒)…

𝐇𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐞𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐞𝐧𝐭𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐳𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐟𝐢𝐡𝐨𝐚𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐞𝐟𝐲, 𝐡𝐨𝐲 𝐧𝐲 𝐉𝐞𝐧𝐞𝐫𝐚𝐥𝐲 𝐑𝐚𝐤𝐨𝐭𝐨𝐦𝐚𝐥𝐚𝐥𝐚

Posted by - octobre 11, 2025 0
Antananarivo — Nanao fanambarana manokana ireo manamboninahitra ambony mitana ny fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena, tarihin’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, Jeneraly Jean Herbert Rakotomalala,…