Faritra SAVA | Zarain’Andriamatoa Governora Finday ny Filoham-pokontany sy ny lefiny

84 0
Mba tsy ho tara amin’ny fanatontoloana, ka hampahomby ny fifandraisaina, indreindra manoloana ny tsy fandriam-pahalemana izay zary tandra vadik’hoditra amin’ny fiainana ankehitriny; nohon’ny hafitsoky ny Malaso sy ireo tontakely andaniny.
 
Fa ho fanampiana an’ireo kitro ifaharan’ny fampandrasoana, miasa sy miara-miaina amintsika eny anivon’ny fiaraha-monina eny, dia filoham-pokontany sy ny lefiny miisa 830  ao amin’ny faritra SAVA no notoloran’Andriamatoa Teddy Gervais Seramila izay  Governora Faritra SAVA, finday tsirairay avy.
 
Hoy indrindra izy raha nandray fitenenana fohy,mahakasika ny fizarana ireto fitaovana ireto : 
Ho fanatsarana ny asa hatrany no tanjona… ary ihany koa ho fanomezana sy ho fanamorana ny fandraisan’izy ireo ny tambin-karamany, ary natao indrindra izao entina hamporisihana azy ireo hanao ny asany ho tsaratsara kokoa !…
Fantatra fa  Alarobia 27 Desambra 2023  ho avy izao no hanomboka ny fizarana.
Nangonin’Lay Mahintsy
 

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐕𝐨𝐯𝐨-𝐛𝐨𝐥𝐚𝐦𝐞𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐲 𝐧𝐞𝐧𝐭𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐢𝐬𝐨𝐥𝐨𝐤𝐲 𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚

Posted by - mars 11, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐕𝐨𝐯𝐨-𝐛𝐨𝐥𝐚𝐦𝐞𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐲 𝐧𝐞𝐧𝐭𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐢𝐬𝐨𝐥𝐨𝐤𝐲 𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 (Tra-tehaky ny polisy lehilahy iray ity noho ny fanomezam-baovao ara-potoana) Rangahy…