FANANGANANA FOTODRAFITR’ASA AO NOSIKELY MORONDAVA TRATRAN’NY TERITERY NY SATRA BEACH

257 0
Misy ny fananganana tetik’asa ao amin’ny plage Nosy kely an-kehitriny izay natao mba hampisy endrika iny sisin-dranomasina iny sy hialana voly efa niatomboka moa ny asa ary efa mandeha saingy misy ny olana ankehitriny amin’ireo olona izay efa ela teo izay nanao asa fivelomana teo ary ara-dalana ny taratasy rehetra sady mbola mandoha hetra ihany koa , ny nahagaga ireo mpivarotra eo amin’io toerana io dia ny tsy fisian’ny fitsirihana sy fanadihadiana teny ifotony talohan’ny nanomboahan’ny asa fa tonga dia taratasy fanalana avy amin’ny kaominina no tonga teny amin’izy ireo izay mazava tsara ny voalazan’ny taratasy fa ny SATRA BEACH sy ny BLUE SOLEIL dia ravana avokoa saingy tsy tanteraka ny fandrafana tamin’izany ; saingy taty aoriana dia nahagaga ireo manodidina sy ny tompon’ny SATRA BEACH fa lasa SATRA BEACH irery sisa no noravana nefa dia fanapahana teo anivon’ny filan-kevitra kaominaly no nametraka ireo olona ireo teo ; mipetraka ary ny fanotaniana hoe fa nahoana no tsy voakasika indray ny BLUE SOLEIL ? ary moa ve ny ben’ny tanana mpisolo toerana irery afaka manafoana ny fanampahana izay noraisin’ny filan-kevitra kaominaly ? maninona koa no tsy amabara mazava ny teti-bolan’ny asa atao ?
 
Ny 30 novembre 2023 moa no efa tonga teny an-toerana ireo mpiasan’ny kaominina niaraka tamin’ny mpitandron’ny filaminana sy vadin-tany izay notarihan’ny ben’ny tanana mpisolo toerana ary efa nandrava moa izy ireo tamin’io saingy nisy ny fifampiresahana dia naverina indray ireo efa voataona teny amin’ny kamiao ny tapaka tamin’izay dia hoe ahemotra iray metatra miala amin’iny sisin’arabe iny ny SATRA BEACH fa tsy miala ary nasaina manao fangatahana koa mb aizy efa eo no mitantana sy manajary io fotodrafitr’asa io rehefa vita ; ny nahagaga ny rehetra moa tamin’io andro io dia ilay vaditany indray no nametra andro hoe tsy maintsy vita rapitso fanisahana an’io ; na dia nanaiky ny fanisahana aza ny SATRA BEACH fa mba mangataka kosa ny hoe atao tsikeliky satria ny manao zavatra tsy mora ary tsy maintsy voahisaka teo alohan’ny hiavian’ireo asa eo amin’ny faritra misy azy ireo ; nanaiky ny kaominina tamin’izay fa niova hevitra indray taty aoriana ka niroso tamin’ny fandravana androany 21/12/23 .
 
Malahelo ny rehetra satria akoatran’ireo mpiasa izay miasa ao very asa dia isany mitsinjo ny mpiala voly eny io SATRA BEACH io satria eo ihany no mba manao vidiny mirary takatry ny rehetra eny amin’iny faritry ny plage iny tsy manao prix ho an’ny vazaha ; isany maha lasa saina ny maro koa ny hoe vola be no lany tamin’ny fanamboarana iny plage nosy kely iny tamin’ny COLAS nefa dia izao noravana sy novana izao indray nefa ny sisin-dranomasina mbola malalaka raha tsy hiresaka afa tsy iny amin’ny Avaradrova iny isika
Koa manoloana izao dia manao antso avo amin’ny kaominina sy ny OXFAM ny tompon’ny SATRA BEACH ary ny vahoaka sy ireo tanaora mpiasa ao aminy mba hijery sy hitsinjo ny rehetra fa tsy hanjakazaka fotsiny satria nahazo famatsiam-bola
 
Ny taratasy rehetra dia mazava ary raha ny fahefan’ny ben’ny tanana mpisolo toerana voafetra ka miantso ny tompon’andraikitra mba hijery sy hanaramaso ity raharaha ity satria lasa misy alako bika tsy tiako tarehy ilay raha ary ho aiza moa izay ireo zanan-tany mpandraharaha no ampiasa vola ny asa tsy misy ireo mba manome asa ireo tanaora ary na dia mijaly ireo rehefa tongan y andro ratsy tsy misy mpitondra mijery azy ireo fa manohy avao ireo satria io fiveloman-dreo sady mamelona tokatrano vitsivitsy no manala fahasahiranan’ny maro maka rivotra eny amin’ny plage koa ireo amin’ny vidiny mirary saingy tonga amin’izao fandravana izao an-kehitriny ireo mpivarotra tsy ara-dalana hanaovana izao hantsonjay izao nefa ireo tsy ara-dalana izay mpiasan’ny kaominina no nametraka azy toa jerena fotsiny ka mahagaga ny maro ihany ilay fomba fiasa sa moa hoe izaho aloha no eto dia zay tiako no ataoko ?
 
Sa koa misy olona tiana hapetraka eo hitantana io foto-drafitrasa io rehefa vita dia alaina teo izay manelingelina ?
Nangonin’i RaPa Menabe

Related Post

𝗙𝗜𝗙𝗜𝗗𝗜𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔𝗠-𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟴 : 𝗡𝗔𝗡𝗔𝗠𝗕𝗔𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗥𝗢𝗧𝗦𝗔𝗛𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗬 𝗕𝗘𝗡’𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗡𝗔𝗡’𝗜𝗠𝗘𝗥𝗜𝗡𝗧𝗦𝗜𝗔𝗧𝗢𝗦𝗜𝗞𝗔 𝙋𝙖𝙧𝙞𝙨𝙤𝙖 𝘼𝙣𝙙𝙧𝙞𝙖𝙢𝙗𝙤𝙡𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙫𝙤

Posted by - août 8, 2025 0
👉𝙋𝙖𝙧𝙞𝙨𝙤𝙖 𝘼𝙣𝙙𝙧𝙞𝙖𝙢𝙗𝙤𝙡𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙫𝙤, 𝙗𝙚𝙣’𝙣𝙮 𝙏𝙖𝙣𝙖̀𝙣𝙖 𝙄𝙢𝙚𝙧𝙞𝙣𝙩𝙨𝙞𝙖𝙩𝙤𝙨𝙞𝙠𝙖, 𝙣𝙤 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙖𝙤 𝙥𝙤𝙡𝙞𝙩𝙞𝙠𝙖 𝙫𝙤𝙖𝙡𝙤𝙝𝙖𝙣𝙮 𝙣𝙖𝙣𝙖𝙢𝙗𝙖𝙧𝙖 𝙩𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙤𝙛𝙞𝙨𝙞𝙖𝙡𝙮 𝙨𝙮 𝙖𝙢𝙥𝙖𝙝𝙞𝙗𝙚𝙢𝙖𝙨𝙤 𝙩𝙖𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙙𝙖𝙝𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙎𝙤𝙡𝙖𝙣𝙜𝙖 𝙛𝙖…