Faritra Vatovavy | Hisitraka tosika VONJY AINA

430 0
Nohon’ny fandalovan’ny rivo-doza nifanesy, dia tsampa sy hita fa miha sahirana ny Mponina, noho izany indrindra dia nasiana ny Tosika Vonjy Aina, izay famatsiam-bola avy amin’ny Banky Mondialy, ka hiaraana amin’ny FID.
 
Vola mitentina 120 000 Ar isam-bolana no hozaraina, izay haharitra dimy volanana eo ho eo, ka ny mponina ao anatin’ny Fokontany 22 mandrafitra ny Kaominina ambanivohitra Vohitrandriana (Distrikan’i Nosy Varika,Faritra Vatovavy). no hisitraka izany tetik’asa fanampiana izany.
 
Fantatra fa efa natomboka ny Alarobia 20 Desambra lasa teo ity Tetik’asa fanampiana ity, ary efa manomboka haparitaka nankany amin’ireo fokontany voalaza etsy aloha ireo.
 
Manoloana izany indrindra dia velom-pisaorana ireo mpisitraka sy ny Ben’ny tanàna Henri Antonio Telolahy na Mera NINI ny Mponina, satria nohon’ny adisisika nataony no nahatonga izao fanampiana goavana azon’ny vahoaka izao.
Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

Commune Sabotsy Namehana| Voatolotra ny Lakilen’ny FKT Tsarafara

Posted by - juillet 8, 2024 0
𝐍𝐀𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍’𝐈 𝐑𝐀𝐌𝐀𝐓𝐎𝐀 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐊𝐎𝐍𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐋𝐀𝐇𝐈𝐃𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐈𝐑𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐎𝐊𝐎𝐍𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐊𝐓 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀 Maso niara-nijery satria nibaribary tahaka ny tafika andrefan-tanana…