Faritra Vatovavy | Hisitraka tosika VONJY AINA

95 0
Nohon’ny fandalovan’ny rivo-doza nifanesy, dia tsampa sy hita fa miha sahirana ny Mponina, noho izany indrindra dia nasiana ny Tosika Vonjy Aina, izay famatsiam-bola avy amin’ny Banky Mondialy, ka hiaraana amin’ny FID.
 
Vola mitentina 120 000 Ar isam-bolana no hozaraina, izay haharitra dimy volanana eo ho eo, ka ny mponina ao anatin’ny Fokontany 22 mandrafitra ny Kaominina ambanivohitra Vohitrandriana (Distrikan’i Nosy Varika,Faritra Vatovavy). no hisitraka izany tetik’asa fanampiana izany.
 
Fantatra fa efa natomboka ny Alarobia 20 Desambra lasa teo ity Tetik’asa fanampiana ity, ary efa manomboka haparitaka nankany amin’ireo fokontany voalaza etsy aloha ireo.
 
Manoloana izany indrindra dia velom-pisaorana ireo mpisitraka sy ny Ben’ny tanàna Henri Antonio Telolahy na Mera NINI ny Mponina, satria nohon’ny adisisika nataony no nahatonga izao fanampiana goavana azon’ny vahoaka izao.
Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗻𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗶𝗻𝗼 𝗦𝗶𝗹𝗮𝗺𝗼

Posted by - juillet 20, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗻𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗶𝗻𝗼 𝗦𝗶𝗹𝗮𝗺𝗼 (𝖭𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗓𝖺𝗒 𝗁𝗈 𝖿𝗂𝗅𝗈𝗁𝖺 𝗂𝗓𝗒 𝗂𝗋𝖾𝗈, 𝗏𝗈𝖺𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂 𝖠𝗅𝗒)…