AMPASAMANATONGOTRA

πŸ“Œ Ampasamanatongotra dia toerana tsy maintsy lalovaana raha hankany Tsiroanomandidy, na Ampefy iny ianao, manamorona ny lalam-pirenena voalohany, ary 99 km eo ho eo miala an’Antananrivo Renivohitra no misy azy.
πŸ“Œ Raha araka ny fitantaran’Andriamatoa ANDRIAMIRINDRA Sammy, izay sady tarak’ireo 14 mianadahy nananagana ity Ampamanatongotra ity, no sady Sefom-pokontany, dia tahaka izao ny tantara :
Β« Fahagola , efa ela be tany, dia nisy olona miralahy iraitam-po, rehefa samy lehibe izy mirahalahy ireo, dia samy nanambady.