Ny harivan’ny 12 Desambra 2023 efa somary maizina no nisy namira tampoka teo amin’ny lohany tao Anjiamangirina II ity mpitandro filaminana eo anivon’ny Tafika Malagasy ity ka nifamonjena‚ nohentina namonjy toeram-pitsaboana ary nanao ny ezaka rehetra ny mpitsabo fa noho ny ratra mafy nahazo azy dia tsy tàna ny ainy omaly maraina ny Alarobia 13 Desambra 2023‚ araka ny fanazavana.
Tsy mbola fantatra ary mbola karohina hatreto ilay nahavanin-doza. Mbola Tovolahy‚ manao asa fampandriana ny tany ao amin’ny kaominina Anjiamangirina sy ny manodidina‚ mitondra galona “Kaporaly” ity maty noho ny fira nahazo ity. Tsy mora tokoa ny asa fanompoana Tanindrazana ary mihatra aman’aina izany‚ koa mankahery ny fianakaviana rehetra ary koa ny fianakaviaben’ny Foloalindahy Malagasy.
Kasaina hoentina any amin’ny fasan-drazany Distrikan’i Mandritsara ny razana raha tsy misy ny fiovana
Maevatanàna an-tampon-tanàna: Nanamarika ny andro iraisam-pirenena hoan’ny Croix-Rouge ny ekipa rehetra taty an-toerana. Natomboka tamin’ny fanadiovana ny kianjan’ny la place…
Tao amin’ny fokotany Betalatala kaominina ambanivohitry Andranomainty distrikan’ny Miandrivazo no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fambolen-kazo ho an’ny faritra ka…
Tontosa tao amin’ny tranompokon’olona Amparafaravola ny Alarobia 07 May 2025 ny atrik’asa sy fampiofanana handrindra ireo tetik’asam-pampandrosoana eny anivon’ireo Kaominina…
📌 Vanim-potoana fiakaran’ny voankazo izao ary manankarena voankazo i Vakinakaratra Sahanivotry Tsarahonenana no tena sompotry ny paoma kanefa indrisy fa…