Ny harivan’ny 12 Desambra 2023 efa somary maizina no nisy namira tampoka teo amin’ny lohany tao Anjiamangirina II ity mpitandro filaminana eo anivon’ny Tafika Malagasy ity ka nifamonjena‚ nohentina namonjy toeram-pitsaboana ary nanao ny ezaka rehetra ny mpitsabo fa noho ny ratra mafy nahazo azy dia tsy tàna ny ainy omaly maraina ny Alarobia 13 Desambra 2023‚ araka ny fanazavana.
Tsy mbola fantatra ary mbola karohina hatreto ilay nahavanin-doza. Mbola Tovolahy‚ manao asa fampandriana ny tany ao amin’ny kaominina Anjiamangirina sy ny manodidina‚ mitondra galona “Kaporaly” ity maty noho ny fira nahazo ity. Tsy mora tokoa ny asa fanompoana Tanindrazana ary mihatra aman’aina izany‚ koa mankahery ny fianakaviana rehetra ary koa ny fianakaviaben’ny Foloalindahy Malagasy.
Kasaina hoentina any amin’ny fasan-drazany Distrikan’i Mandritsara ny razana raha tsy misy ny fiovana
hotohin’ny vehivavy rehetra maneran-tany dia mankalaza ny andron’ny vehivavy ireo vehivavy ato amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambatolahy ato amin’ny Distrikan’ny Miandrivazo.…
Tanterahina eto Fianarantsoa, anatin’ny 2 andro, manomboka androany 15 Febroary sy rahampitso 16 febroary ny atrik’asa fanamafisana fahaiza-manao ho an’ireo…