Feon’ny Salt Fianarantsoa | Namangy azy ireo ny Rev. Shauen Trump

331 0
Namangy sy nitondra fampianarana mahakasika ny Teolojian’ny Hazofijaliana teto amin’ny SALT ny Rev. Shauen Trump, mpiandraikitra ny fitoriana ny filazantsara aty Afrika ao amin’ny Lutheran Church of Missouri Synod nandritra ny telo andro, nanomboka ny alatsinainy 04 desambra hatramin’ny omaly 06 desambra.
 
Misaotra ny Foibe FLM naniraka azy fa betsaka ny fampianarana voaray taminy, ary misaotra ireo iraka manokana nanatanteraka ny fandikan-teny dia ny Past Dr RANDRIANASOLO Joseph, Doyen LIME sy ny Pastora ANDRIAMANANTENA Tahiandrazana Nosiarilala (SPAM).
 
Jesosy Kristy Tompo anie hamaly fitia anareo tsirairay avy noho ny fandavan-tenanareo lehibe.
Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra.
 
 
Loharano nanovozana : Feon’ny Salt Fianarantsoa

Related Post

« 𝐃𝐑𝐎𝐈𝐓 𝐃𝐄 𝐑𝐄𝐏𝐎𝐍𝐒𝐄  » 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐍𝐀𝐓𝐎𝐑𝐀 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘

Posted by - février 28, 2025 0
Manoloana ny famoaham-baovao, nataon’ny Gazety an’habaka Feon’ny Demokrasia omaly,Alakamisy 27 Febroary 2025, (https://feonydemokrasia.mg/alerte-ambatomanjaka/) dia mitondra ity 𝐟𝐚𝐧𝐢𝐭𝐬𝐢𝐚𝐦-𝐛𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 ity ny 𝗦𝗲́𝗻𝗮𝘁…