๐‘ซ๐’“ ๐‘ฌ๐’…๐’Ž๐’๐’๐’… (๐‘ฌ๐’…1) : ๐‘ญ๐‘ฐ๐‘ป๐‘ฐ๐‘จ๐‘ฝ๐‘จ๐‘ต- ๐‘ป๐‘จ๐‘ต๐‘ฐ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘จ๐’๐‘จ๐‘ต๐‘จ ๐‘ต๐‘ถ ๐‘ต๐‘จ๐‘ต๐‘ถ๐‘บ๐‘ฐ๐‘ฒ๐‘จ ๐‘จ๐‘ฏ๐’€ ๐‘ฏ๐‘จ๐‘ต๐‘ถ๐‘น๐‘ฐ๐‘ต๐‘จ ๐‘ป๐‘ถ๐‘ฉ๐‘ฐ๐‘ต’๐‘ต๐’€ ๐’๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘จ๐‘น๐‘ฐ๐‘ด๐‘จ๐‘น๐‘ฐ๐‘จ

604 0
๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ ๐‘ซ๐’“ ๐‘ฌ๐’…๐’Ž๐’๐’๐’… (๐‘ฌ๐’…1) : ๐‘ญ๐‘ฐ๐‘ป๐‘ฐ๐‘จ๐‘ฝ๐‘จ๐‘ต- ๐‘ป๐‘จ๐‘ต๐‘ฐ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘จ๐’๐‘จ๐‘ต๐‘จ ๐‘ต๐‘ถ ๐‘ต๐‘จ๐‘ต๐‘ถ๐‘บ๐‘ฐ๐‘ฒ๐‘จ ๐‘จ๐‘ฏ๐’€ ๐‘ฏ๐‘จ๐‘ต๐‘ถ๐‘น๐‘ฐ๐‘ต๐‘จ ๐‘ป๐‘ถ๐‘ฉ๐‘ฐ๐‘ต’๐‘ต๐’€ ๐’๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘จ๐‘น๐‘ฐ๐‘ด๐‘จ๐‘น๐‘ฐ๐‘จ ๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ
Hoy ny ๐‘ซ๐’“ ๐‘น๐‘จ๐‘ฒ๐‘ถ๐‘ป๐‘ถ๐‘ด๐‘จ๐‘ณ๐‘จ๐‘ณ๐‘จ ๐‘ฌ๐’…๐’Ž๐’๐’๐’…, Mpikaroka Raokandro Malagasy, fantan-daza tamin’ny famoronana ny fanafody ๐„๐1: ย ยป Fanorenana Tobin’ny Zandarimaria hitsinjovana ny Fandriampahalemana hoan’ny Vahoaka ety ifotony no hitako ho fanehoana ny ๐‘ญ๐’Š๐’•๐’Š๐’‚๐’—๐’‚๐’-๐’•๐’‚๐’๐’Š๐’๐’…๐’“๐’‚๐’›๐’‚๐’๐’‚ fa tsy fihetsiketsehana andalam-be hitondra korontanaย ยป.
 
Manasa antsika hanjoy ny horonan-tsary mirakitra ny Fampitam-baovao, mahakasika ny fandalovan’Andriamatoa ๐‘ฑ๐’†๐’๐’†๐’“๐’‚๐’๐’š (๐’†๐’“) ๐‘น๐’Š๐’„๐’‰๐’‚๐’“๐’… ๐‘น๐‘จ๐‘ฝ๐‘จ๐‘ณ๐‘ถ๐‘ด๐‘จ๐‘ต๐‘จ๐‘ต๐‘จ, Filoham-panjakana Mpisolo toerana, tany Ambohimahafahana Miarinavaratra, Fandriana, Amoron’i Mania.
๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ AMBOHIMAHAFANA MIARINAVARATRA : FITSIDIHANA NY FIVOARAN’NY FANORENANA NY TOBIN’NY ZANDARIMARIA NOMEN’I Dr EDMOND (ED1) ๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ
Vaindohan-draharaha amin’ny Fitondram-panjakana ny fametrahana Fandriampahalemana hoan’ny Vahoaka eny ifotony, ka nifanomezan-tร nana tamin’Andriamatoa RAKOTOMALALA Edmond Alfred (Ed1) izay nanorina ny Tobim-paritry ny Zandarimaria ao Ambohimahafana, kaominina Miarinavaratra, distrika Fandriana, faritra Amoron’i Mania. Izy izay fantatry ny rehetra fa Mpikaroka momba ny Raokandro Malagasy namorona ny fanafody ED1.
Tonga nitsidika sy nijery ifotony ny fivoaran’ny fanorenana izany fotodrafitrasa izany, Andriamatoa jeneraly Richard RAVALOMANANA, Filoham-panjakana mpisolo toerana mivady sy ny Jeneraly Andry RAKOTONDRAZAKA, Komandin’ny Zandarimariam-pirenena ; ireo Tomponandraikitra ambony maro toa an’Andriamatoa Prรฉfet Ambositra, Ramatoa Governoran’ny faritra Amoron’i Mania, ny Jeneraly Komandin’ny EGNA, ny Jeneraly Komandin’ny CIRGN Fianarantsoa, Ramatoa Lehiben’ny distrika Fandriana, Andriamatoa Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka, ireo Manamboninahitra maro; ary ireo fokonolona aman’arivony, notronin’ireo FIVAZA.
Raha natao ny tombana dia efa hadiva ho vita ny asa lehibe amin’ny fanorenana saingy pitsopitsony ho fanaraham-penitra amin’ny maha-Toby Miaramila azy sisa no atao lavorary. Tsy hitazam-potsiny araka izany ny Fitondram-panjakร na sy ny Zandarimaria fa hifanolo-tร nana hahavita soa aman-tsara ny fanamboarana atao sy fampitaovana izany Toby izany.
Ankasitrahana manokana izao fihetsika hanan-tantara eo amin’ny distrikan’i Fandriana sy eo anivon’ny Zandarimaria izao, dia ny fiaraha-misalahy ho amin’ny Fandriampahalemana.
Loharano nanovozana : InfoCom Seg

Related Post

Fikambanana AFF Boriboritany faha 2 | Nifampiarahaba nahatratra ny taona

Posted by - janvier 28, 2024 0
๐๐ˆ๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐€๐‘๐€๐‡๐€๐๐€ ๐“๐‘๐€๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐“๐€๐Ž๐๐€, ๐๐ˆ๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐‘๐€๐‘๐˜ ๐’๐Ž๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐Š๐€๐Œ๐๐€๐๐€๐๐€ ๐€๐๐ƒ๐‘๐˜ ๐’๐˜ ๐…๐Ž๐“๐Ž๐“๐‘๐€ ๐‡๐Ž ๐€๐’๐๐˜ ๐…๐€๐Œ๐๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž๐’๐Ž๐€๐๐€ ๐“๐„๐“๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐๐Ž๐‘๐ˆ๐๐Ž๐‘๐ˆ๐“๐€๐๐˜ ๐…๐€๐‡๐€๐‘๐Ž๐€ Ny sabotsy…

แดษชแด€ษดแด…ส€แด€ษดแด…ส€แด€ แด›แด€ษดแด›sแดส€แดแด‹แด€ แด€แด ส แด€แดษชษด’ษดส า“ษชแด›แดษดแด…ส€แด€ษดแด€ ษชส€แด‡แด แด แด‡สœษชแด แด€แด ส แด›แด€ษดแด›sแด€สœแด€ แด‡แด›แด แดแด€แด…แด€ษขแด€sษชแด‹แด€ส€แด€. แด€ษดษชsแด€ษด’ษดส า“ษชแด‹แด€แดส™แด€ษดแด€ษดแด€ ษดแด€แดแด˜ษชsแด‡สœแด ษดส แดแด€สœแด€ ษชแดขส แด€แดขส ษดแด€ษดแด…ส€ษชแด›ส€แด€ ษดส แด€ษดแด…ส€แด แดแด€ษดแด‡ส€แด€ษดแด›แด€ษดส สœแด แด€แดขส ษชส€แด‡แด ษดส า“แด€ส€แด ษดแด sแด€แด…ส ษดแด€ษดแด€แด า“แด€ษดแด€แดส™แด€ส€แด€ษดแด€ แด›แด€แดษชษด’ษดส แด€ษดแด€ส€แด€ษด’ษชส€แด‡แด า“แด€ส€ษชแด›ส€แด€ ส€แด‡สœแด‡แด›ส€แด€ แดษชsส แด€แดขส แดแด€ษดแด‡ส€แด€ษดแด€ ษดส ษดแดsส.

Posted by - octobre 17, 2024 0
Ankalazaina isaky ny 15 oktobra ny ยซย Journรฉe Internationale des Femmes Ruralesย ยป (JIFR). Fotoana ahafahan’ireo vehivavy misehatra amin’ny asa fambolena sy…