Zon’olom-belona nisy ny Atrik’asa fiofanana nokarakarain’ny Craad-oi

398 0

Nisy Atrik’asa fiofanana nokarakarain’ny Craad-oi nandritra ny hateloana izay natao tetsy amin’ny Orchides Blanche Androhibe, nanomboka ny 27 Novambra 2023 lasa teo, ka nifana androany 29 Novambra.

Natao indrindra ity atrik’asa fiofanana ity ho fanamafisana ny fahaiza-manao hoan’ireo Mpisehatra amin’ny Rafitra fanaraha-maso amin’ny zo ara-toekarena, sosialy ary ara-kolon-tsaina, fantatra izany araka ny fanazavana izay entin’i Ramatoa ANDRIAMANANTENASOA Volahery, Mpampiofana sady Mpandrindra ao amin’ny Craad-oi.

Maro ireo karazana fikambanana nisitraka ity atrik’asa fiofanana ity, ahitana ny Fikambanam-behivavavy Tantsaha Farm, ny Fikambanan’ny Tanora RJDD, sy ny hafa ihany koa,

Anisan’ny nahazo tombontsoa tamin’ity Atrik’asa fampiofanana ity Ramatoa Rovasoa Paulette Gabriel, Mpikambana FARM, avy any amin’ny Faritra Atsimo-Andrefana, izay nilaza fa tena ilaina ity atrik’asa fampiofanana ity satria ampianga iray entina hanazavana ny zo maha olona eny amin’ny tontolo ambanivolo ho fahafantarana azy ireo ny Zony.

Manampy betsaka amin’ny fahaiza-manao ihany koa ny fanarahana an’ity atrik’asa fampiofanana ity, araka ny voalazan’Andriamatoa ONNI RAZATOVO, Mpikmbana eo anivon’ny Firaisamonim-pirerena OIDESCM.

Irariana hatrany ny hisian’ny atrik’asa fampiofanana tahaka izao mba hampitombo ny fahaiza-manao entina eny an-tsehatra.

Nangonin’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

Akon’ny 26 Jona 2025 | Kaominina Ambanivohitra Befasy

Posted by - juin 28, 2025 0
𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐁𝐄𝐅𝐀𝐒𝐘 , 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀 𝗡𝗜𝗔𝗩𝗔𝗞𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗘𝗧𝗜𝗠-𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔 𝗧𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗜𝗧𝗬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟱 𝗜𝗧𝗬 Nanomboka ny faha 19 Jiona…