Velom-pisaorana FIP ny vahoaka ao Verrerie Toamasina

319 0
OPERATION FIP
 
Androany talata 28 novembre t@ 1 Ora sy 10 mn maraina . Épicerie iray izay an’ny rangahy iray miasa ao @ SPAT no norobain-jiolahy.
 
Naratra mafy ilay rangahy 57 taona izay tompon’ilay épicerie.
Nahazo antso ary tonga ara-potoana ny FIP Toamasina notarihin’ny Commissaire Jules Rafaliarivo.
Nisy rahateo ny toromarika nomen’ny Talem-paritry ny Polisim-pirenena Atsinanana, Commissaire RAKOTOVAO Christian.
 
Raikitra fifanjevona Niezaka namaly ireo jiolahy. Polisin’ny FIP iray ( Inspecteur ) no naratra .
Vokany, nampiasa basy teny am-pelatanana ny FIP.
Jiolahy 1 maty voatifitra. 3 azo sambo-belona. Ny 1 amin’izy 3 lahy azo sambo-belona dia mpitondra cyclo pousse, 1 agent de sécurité.
 
Tafaverina amin »ny tompony ireo PPN sy entana efa notaterin’ireo jiolahy .
Velom-pisaorana FIP ny vahoaka ao Verrerie.
** Sary fanehoana
Vaovao nomen’i Be Tsimisaraka 

Related Post

Asa sosialy sahanin’ny Fikambanana AFF

Posted by - février 4, 2024 0
𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐘 𝐒𝐘 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐎𝐑𝐈𝐁𝐎𝐑𝐈𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝟐 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 Tafiditra ao anatin’ny Asa sosialy…