Fiaraha-monina Omby vavy miisa 3 no nofirain’olona tsy fantatra Posted on novembre 27, 2023 at novembre 28, 2023 by feonydemokrasia 249 0 Tranga hafa kely Mangabe Maroantsetra : Omby vavy miisa 3 no nofirain’olona tsy fantatra tao amin’ny fokontany Mangabe, Maroantsetra ny 26 Novambra lasa teo. Tsy fantatra mazava ny antony na sotasota na fihalonana na zavatra hafa mihitsy. Teny an-tanimbary ireto omby ireto no nosomparana ka mampametrampanontaniana ny maro ary tamin’ny andro mbola mazava. Nisy tamin’ireo omby no tapaka ny tongony noho ny ratra lalina nahazo azy (hoditra sisa no mitazona ny tongony havanana amin’ny ilam-bodiny) ,ary nisy ihany koa ny voafira hatrany amin’ny sofiny roa. Ary ny 2 tamin’ireo omby ireto no bevohoka. Misokatra ny fanadihadiana Nangonin’i Malala Tsa
MITAKY HAMPAKARANA KARAMA NY MPAMPIANATRA FRAM AO AMIN`NY CEG TSARAVONY MARIE JEANNE MANDRITSARA Posted by feonydemokrasia - septembre 27, 2024 0 Efa ela no tsy nisy fampakarana ny karaman`ireo mpampianatra FRAM ao amin`ny CEG Tsaravony Marie Jeanne CISCO Mandritsara. Nanatanteraka fivoriam-be…
AMPATSY SOAMANANDRARINY : JIOLAHY IRAY NAHATRARANA BASY POLETA TAO AN-TRANONY Posted by feonydemokrasia - décembre 26, 2023 0 Vao tsy ampy herinandro izay no nahatratra Jiolahy raindahiny @ fanafihana sy fanendahana nisesy teto andrenivohitra ny zandary avieo…
MIPETRAKA FILAMATRA EO AMIN`NY FIARAHAMONINA NY FIANAKAVIANA TSY HOMANA AMALONA AMBALAFARY MANDRITSARA Posted by feonydemokrasia - septembre 17, 2024 0 Isany fianakaviana mbola maneho ny fifanajana sy fifankatiavana eo amin`ny fiarahamonina misy azy ny fianakaviana tsy Homana amalona ao Ambalafary…
Antaninarenina sy Analakely| Akon’ny Fankalazana ny Noely 2023 Posted by feonydemokrasia - décembre 26, 2023 0 Tonga maro teny Antaninarenina sy Analakely ary filaharam-be no niditra tao an-tokotanin’ny lampam-panjakana Ambotsirohitra izay voaraka tsara ka nosokafan’ny fandidiana…
Mandritsara : Tsy ekenay Mandritsara ny fanesorana an’i Procureur miaro ny tanànanay hoy ireo vahoaka raha nametraka sora-baventy androany. Posted by feonydemokrasia - avril 16, 2024 0 Mandritsara : Tsy ekenay Mandritsara ny fanesorana an’i Procureur miaro ny tanànanay hoy ireo vahoaka raha nametraka sora-baventy androany. Mbola…